Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

4 | Arovy ny Fanantenanao

4 | Arovy ny Fanantenanao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA

Manahy ny olona rehefa mikorontana izao tontolo izao, dia misy vokany amin’ny fahasalamany sy ny fihetseham-pony izany. Betsaka no lasa very fanantenana. Ahoana no ataon-dry zareo?

  • Misy tsy te hieritreritra momba ny hoavy akory.

  • Ny hafa indray manary dia amin’ny toaka na amin’ny zava-mahadomelina.

  • Ny sasany kosa mamoy fo, dia tsy te ho velona intsony.

Tsara ho fantatra

  • Mandalo ihany ny olana sasany atrehinao, ary tsy ampoizinao fa mety hihatsara ny zava-misy.

  • Na tsy mivaha aza ilay olana, dia misy azonao atao ihany mba hiatrehana an’ilay izy.

  • Mampanantena ny Baiboly hoe misy vahaolana maharitra ho an’ny olana atrehin’ny olombelona.

Ny azonao atao

Hoy ny Baiboly: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin’ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”​—Matio 6:34.

Ny androany aloha atrehina. Aza manahy loatra momba ny ampitso, sao tsy ho vitanao izay tokony hataonao androany.

Raha manahy be momba an’izay mety hitranga mantsy ianao, dia hanampy trotraka ny adin-tsainao izany, ary mety hahatonga anao ho very fanantenana.

Mampanantena Zavatra Tsara ny Baiboly

Izao no nolazain’ny mpanao salamo rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra izy: “Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.” (Salamo 119:105) Hoatr’izany mihitsy ny Tenin’Andriamanitra. Diniho izao:

Rehefa maizina ny andro, dia ny jiro no manampy antsika hahita an’izay asiantsika ny tongotsika. Misy torohevitra feno fahendrena koa ao amin’ny Baiboly. Afaka mitari-dalana antsika izy ireny, rehefa misy fanapahan-kevitra sarotra mila raisintsika.

Afaka mitsilo ny eny lavitra koa ny jiro, mba hahitantsika ny lalana mbola hodiavintsika. Hoatr’izany koa ny Baiboly. Ampahafantariny antsika hoe hamiratra ny hoavy.