Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Ahoana Raha Nisaraka Ianareo Roa?

Ahoana Raha Nisaraka Ianareo Roa?

OLANA

“Nieritreritra aho hoe nahita an’ilay olona mety amiko. Hozy aho hoe: ‘Holaniko miaraka aminy ny androm-piainako.’ Tsy maintsy nisaraka taminy anefa aho rehefa avy niaraka roa volana izahay. Tsy nampoiziko hoe hisaraka vetivety izahay, nefa hoatran’ireny tsy tetỳ an-tany ireny tamin’ny voalohany.”—Anna. *

“Be dia be ny zavatra nitovizanay. Nino be mihitsy aho hoe hivady izahay. Tsapako anefa, tatỳ aoriana, fa tsy nitovy mihitsy izahay sy izy. Nisaraka taminy aho rehefa hitako hoe tena tsy nety ny safidy nataoko.”—Elaine.

Izany ve no nitranga taminao sy ilay olona nirinao ho vady? Hanampy anao ity lahatsoratra ity, raha izany no izy.

TSARA HO FANTATRAO

Mafy foana ny misaraka, na ianao aza no nanapaka an’ilay fiarahana. Nisaraka tamin’ny olon-tiany i Sarah, rehefa avy niaraka enim-bolana ry zareo. Hoy izy: “Tena mafy ilay izy. Tsy hitahita akory mantsy izahay dia nisaraka. Rava ny nofinofinay. Nahatsiaro ny fotoana mamy niarahanay aho, rehefa naheno an’ireo hira nankafizinay. Nalahelo azy koa aho, rehefa nandeha tamin’ireo toerana falehanay. Izany no nahazo ahy na dia izaho aza no nanapaka an’ilay fiarahana.”

Misy mahatsara azy ihany ny misaraka na dia mafy aza. Hoy i Elaine: “Tsy te hampalahelo an’ilay olona ianao. Tsapanao anefa hoe ianareo roa mihitsy no harary fo, raha mbola miaraka foana nefa efa hita hoe tsy mitovy ny tadin-dokanga.” Hoy i Sarah: “Raha tsy mahatsiaro sambatra ianao amin’ny fotoana iarahanao amin’ny olona iray, dia azo antoka hoe tsy ho sambatra koa ianao rehefa manambady azy. Aleo tonga dia misaraka raha tsy te hijaly.”

Tsy midika akory izany hoe tsy misy antenaina intsony ny aminao. Natao hanampiana anao handray fanapahan-kevitra ny fiarahana, fa tsy voatery hiafara amin’ny fanambadiana foana. Aleo misaraka rehefa hita hoe manana olana ngezabe ny iray aminareo. Tsy hoe vita hatreo akory ny aminao raha izany no mitranga. Mbola afaka miatrika ny fiainana foana ianao. Amin’ny fomba ahoana?

INONA NO AZONAO ATAO?

Ekeo hoe mafy aminao ilay izy. Hoy ihany i Elaine: “Very namana aho. Tsy namana tsotra fotsiny izy tamiko, fa tena namana akaiky.” Ara-dalàna raha malahelo ianao rehefa nisaraka tamin’olona iray tena akaiky anao. Hoy i Adam: “Marary fo foana ianao rehefa nisaraka tamin’olona iray, na dia fantatrao aza hoe izay no tokony hatao.” Mety hanao hoatran’i Davida Mpanjaka ianao. Hoy izy: “Vonton-dranomaso ny fandrianako mandritra ny alina.” (Salamo 6:6) Ahoana no atao raha tiana hisinda ny alahelo? Mora afaka kokoa ilay izy raha tsy afenina. Izany no dingana voalohany.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 3:1, 4.

Miezaha hifanerasera amin’ny olona afaka manampy anao. Mety tsy ho mora aloha izany. Hoy i Anna, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tsy te hihaona tamin’iza n’iza mihitsy aho tamin’ny voalohany. Elaela mantsy vao sitrana ilay ratram-po. Nila naka fotoana koa aho, amin’izay mba afaka mandinika sy mahatakatra tsara an’ilay zava-nitranga.” Hitan’i Anna ihany anefa hoe tsara ny mifanerasera amin’ny namana akaiky, satria ireo no afaka mampahery. Hoy izy: “Falifaly kokoa aho izao, ary tsy dia misy vokany amiko intsony ilay fisarahana.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 17:17.

Mandraisa lesona. Saintsaino hoe: ‘Hita avy amin’iny zava-nitranga iny ve hoe misy zavatra mila iezahako? Inona no azoko atao mba tsy hiverenan’izany intsony?’ Hoy i Marcia: “Azoko tsara ny zava-nitranga rehefa nandeha ny fotoana. Efa ela be tatỳ aoriana anefa izany, satria tamin’izay aho vao tsy nentanin’ny fihetseham-po fotsiny fa mba afaka nijery ny tena zava-misy.” Hoatr’izany koa ny nahazo an’i Adam. Hoy izy: “Herintaona taorian’ny nisarahanay aho vao tsy nalahelo be intsony. Mbola ela be taorian’izay aza aho vao afaka nandray lesona avy tamin’ilay izy. Betsaka ny zavatra nianarako momba ny tenako sy ny ankizivavy ary ny fifandraisana amin’olona. Tsy malahelo be intsony aho izao.”

Resaho amin’i Jehovah ny zavatra mampanahy anao. Milaza ny Baiboly fa “manasitrana an’ireo torotoro fo” Andriamanitra, ary “manisy fehy ny ratran’izy ireo.” (Salamo 147:3) Marina aloha hoe tsy mitady vady ho antsika Andriamanitra, ary tsy tokony homena tsiny koa izy raha voatery nisaraka isika sy ilay olon-tiantsika. Na izany aza, dia mitady izay hahasoa antsika foana izy. Resaho aminy daholo àry izay ao am-ponao.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 5:7.

^ feh. 4 Novana ny anarana ato.