Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Ahoana no Nampisy ny Fiainana?

Inona no heverinao fa marina?

NY FIAINANA DIA...

  1. NIVOATRA MIANDALANA

  2. NISY NAMORONA

MISY mihevitra fa ny olona nandalina momba ny siansa no hamaly hoe “nivoatra miandalana”, fa ny mpivavaka kosa hamaly hoe “nisy namorona.”

Tsy voatery ho izany anefa.

Olona maro nahita fianarana mantsy no lasa mieritreritra hoe tsy marina ny evolisiona na fiovana miandalana, ary manam-​­pahaizana momba ny siansa ny maro amin’​izy ireny.

Mpampianatra siansa momba ny bibikely, ohatra, i Gerard Hertel, nefa tsy nino ny evolisiona. Hoy izy: “Rehefa nanala fanadinana aho tamin’izaho nianatra, dia nosoratako fotsiny izay valiny nandrasan’ny mpampianatra fa izaho tsy nino an’ilay izy.”

Hita àry fa na ny olona nandalina momba ny siansa aza tsy resy lahatra hoe evolisiona no nampisy ny fiainana. Nahoana? Mba hamaliana izany dia andeha isika handinika fanontaniana roa manahiran-tsaina ny mpikaroka: 1) Ahoana no niandohan’ny fiainana? Ary 2) ahoana no nampisy an’ireo zavamananaina be dia be?