Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Antoka ve ny Sakafonao?

Azo Antoka ve ny Sakafonao?

Azo Antoka ve ny Sakafonao?

“Sekoly Nakaton’ny Fanjakana Alemà Noho ny Mikraoba E. Coli.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ALEMAINA.

“Aretina avy Amin’ny Sakafo, Mihanaka any Amin’ny Fanjakana Dimy.”—ETAZONIA ANKEHITRINY (ANGLISY).

“Henan’ny Omby 6 Nisy Taratra Mampidi-doza, Niparitaka Tany Amin’ny Faritra 9.”—VAOVAO ISAN’ANDRO (ANGLISY), JAPON.

TAO anatin’ny tapa-bolana no nivoahan’ireo vaovao ireo, tamin’ny herintaona. Milaza ny mpikaroka fa ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny olona any amin’ny tany mandroso no voan’ny aretina avy amin’ny sakafo, isan-taona.

Ahoana ny hevitrao amin’izany? Hoy i Hoi, raim-pianakaviana any Hong-Kong: “Manan-janaka roa aho ary mampanahy ahy ny sakafo hanin’izy ireo.”

Olona an-tapitrisany isan-taona any amin’ny tany mahantra no matin’ny aretina avy amin’ny rano sy sakafo, ary ankizy ny ankamaroany. Hoy i Bola, any Nizeria: “Ipetahan’ny lalitra ny sakafo eny an-tsena sady tratran’ny vovoka sy rivotra ary orana. Matahotra aho rehefa maheno hoe misy aretina avy amin’ny sakafo. Te hiaro ny vady aman-janako aho.”

Azonao arovana tokoa ve ny vady aman-janakao? Hoy ny Fikambanana Mpanara-maso ny Sakafo any Kanada: “Raha vao miparitaka eny an-tsena ny sakafo mankarary dia lasa mivoaka amin’ny vaovao, ary izany no tokony ho izy. Mety ho ny zavatra ataontsika ao an-dakozia koa anefa no mahatonga ny sakafontsika hankarary.”

Ahoana no hiarovanao ny vady aman-janakao amin’ny aretina avy amin’ny sakafo? Handinika fomba efatra hanaovana an’izany isika.

[Efajoro, pejy 3]

IZA NO ATAHORANA HO VOA?

Ireto sokajin’olona ireto no tena mora voan’ny aretina avy amin’ny sakafo:

● Ankizy latsaka ny dimy taona

● Vehivavy bevohoka

● Olona 70 taona mahery

● Olona manana hery fanefitra tsy matanjaka

Raha ao anatin’ireo sokajy ireo ianao na ny manodidina anao, dia tena tokony hitandrina ianao rehefa mihinana na mikarakara na mandroso sakafo.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny New South Wales Food Authority, Aostralia.