Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Voa Matsiro any Aostralia

Ilay Voa Matsiro any Aostralia

Ilay Voa Matsiro any Aostralia

NISY hazo iray vao hita tany amin’ny ala tropikaly any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Queensland, any Aostralia. Nanandrana ny voany ny zazalahy mpanampy an’i Walter Hill, manam-pahaizana momba ny zavamaniry, ka nitaintaina i Hill, satria henony hoe mahafaty ilay voa. Tsy naninona anefa ilay zazalahy ary tiany ilay voa. Nanandrana koa i Hill ary tiany ilay izy, ka nomeny zana-kazo ny namany sy ny manam-pahaizana momba ny zavamaniry naneran-tany. Makadamia io hazo io. *

Efa 150 taona eo ho eo izay no nahafantarana ny makadamia, ary malaza eran-tany izy io. Hoy ny gazety iray: “Anisan’ny sakafo tsara indrindra eran-tany ny makadamia satria miavaka ny tsirony, mikarepoka tsara izy, ary fotsy manopy mavo ny lokony.” Tsy mahagaga raha io no ahazoam-bola be indrindra amin’ireo voa ambolena any Aostralia.

Voa kely mafy toto

Mandrobona foana ny makadamia any amin’ny faritra mafana sy mando any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia. Misy karazany sivy izy io, ary fihinana ny roa. Voloina ny hodiny ivelany, mivolontsôkôlà ny hodiny anatiny, ary toy ny kanety ilay voany fotsy manopy mavo.

Mafy be anefa ilay hodiny anatiny, ka vato no namakian’ny tompon-tany azy taloha. * Marotoa sy riandriana kosa no nampiasain’i John Waldron, manam-pahaizana momba ny tanimboly, ary valo tapitrisa teo ho eo no voa voavakiny nandritra ny 50 taona. Tsy mba nisy milina nahavaky makadamia ve? Nanimba an’ireo voa ny milina voalohandohany. Nihatsara anefa ireo milina tatỳ aoriana.

Nisy olana koa teo amin’ny fambolena azy. Matetika no miharatsy ny vokatra rehefa averina ambolena ilay voa. Tsy nahomby koa ny fanaovana grefy. Niato àry ny famokarana makadamia. Nitohy indray izany rehefa nahita vahaolana ny avy any Hawaii. Tsy ela dia izy ireo no namatsy ny 90 isan-jaton’ny makadamia nilaina eran-tany. Tsy mahagaga raha nantsoina hoe voa avy any Hawaii izy io.

“Nifantoka tamin’ny famokarana makadamia” ny mpamboly aostralianina, taorian’ny 1960, ary narahiny izay nataon’ny tany Hawaii. Nihaniroborobo àry ny famokarana makadamia tany Aostralia, ka avy any izao ny antsasany eo ho eo amin’ny makadamia eran-tany. Maniry any Afrika sy Amerika Afovoany ary Azia koa ny makadamia.

Fitsidihana toeram-pambolena any Aostralia

Mpamboly makadamia any akaikin’i Lismore, any Nouvelle-Galles Atsimo, i Andrew. Hoy izy rehefa nanontanian’ny Mifohaza!: “Ataonay mifanelanelana isaky ny laharana vitsivitsy ny karazana makadamia, mba hifamindran’ny vovoboniny.” Hita fa ny 80 isan-jato eo ho eo amin’ireo makadamia an-tapitrisany any Aostralia no karazany nofidin’ny mpamboly tany Hawaii. Mampiasa makadamiadia anefa izao ny mpamboly any Aostralia, mba hahazoana karazany tsara kokoa avy eo an-toerana ihany.

Misy voa kely boribory an-jatony tazanay mikirazorazo eny anelanelan’ny ravina eny. Enim-bolana dia matoy ireo voa ary milatsaka amin’ny tany. Voamarikay fa nisy loaka ny sasany, ka hoy i Andrew: “Valo segondra dia mahalany ny ao anaty voa iray ny voalavo. Tia makadamia koa ny lambo.” Nijanona kely i Andrew ary nandaka voa iray nilentika kely tao anaty tany. Nihomehy izy sady niteny hoe: “Ity izao mbola ahazoana telo cents [Ar 60 eo ho eo].” Maro ny tantsaha mampiasa fitaovana manokana, mba hanangonana an’ireo voa latsaka amin’ny tany. Voasany izy ireo ary fantenany. Alefany any amin’ny orinasa izany avy eo, ka esorina ilay hodiny mafy, avahana isan-tsokajiny ireo voa, ary alefa any amin’ny mpanjifa.

Sady matsiro no mahasalama!

Nikepokepoka voana makadamia vitsivitsy izahay, teny am-pamaranana an’ilay fitsidihana. Natsiro erỳ izany ka nilela-molotra mihitsy izahay. Mahasalama ve anefa ny makadamia? Milaza ny lahatsoratra iray fa “mihoatra ny 72%” amin’ny lanjany foana ny menaka ao anaty makadamia, ary mahasalama ny ankabeazany. “Izy io no be menaka indrindra amin’ireo voa ahazoana menaka.” Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa mampihena tavy sy kolesterola ratsy ary mampidina tosidra ny makadamia, raha hanina araka ny antonony.

Misy olona tia sôkôlà sy bisikoỳ ary gilasy misy makadamia. Misy koa tia makadamia hanina amin’izao, na atono, na asiana sira. Matetika ny olona no mbola te hihinana, na ahoana na ahoana ikarakarana ny makadamia.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Taona vitsivitsy talohan’io, dia efa nanangona voana makadamia i Cunningham (1828) sy Leichhardt (1843), mpikaroka tany vaovao, saingy nampirimina izany ary tsy fantatra ny momba azy. I Ferdinand von Mueller, manam-pahaizana momba ny zavamaniry avy any Melbourne sady mpiara-miasa amin’i Hill, no nanome anarana an’ilay karazan-kazo hoe Macadamia, tamin’ny 1857. Avy amin’ny anaran’i Pr. John Macadam namany ilay anarana.

^ feh. 6 Mafy be ny hoditra anatin’ny voan’ny makadamia, ka azo amboarina ho fitaovana marokoroko fikikisan-javatra.

[Efajoro, pejy 23]

AHAZOANA HERINARATRA ILAY HODINY MAFY

Ahazoana angovo mitovitovy amin’ny an’ny arintany ilay hoditra mafin’ny voana makadamia. Ampiasain’ny orinasa iray any Aostralia izany, mba hamokarana herinaratra ho an’ny daholobe sy ny orinasa mpanodina makadamia. Io no orinasa voalohany nanodina fako ho lasa angovo, any Aostralia. Mety hitombo be ny herinaratra vokariny, arakaraka ny mahabetsaka ny mpanome hoditra makadamia.

[Sary, pejy 23]

Mamboly fototra makadamia an’arivony isan-taona ireo mpamboly any Aostralia

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary rehetra eo amin’ny pejy 22 sy 23: Australian Macadamia Society