Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Iza no Nanao Asa Hoatran’io?

Iza no mpiandry ondry tamin’ireo nitarika ny Israely fahiny? Milazà olona roa. Soraty eto ambany ny valin-teninao.

1. Vakio ny Eksodosy 3:1.

․․․․․

2 Vakio ny 1 Samoela 17:34-36.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona avy no ataon’ny mpiandry ondry tsara fanahy? Nahoana i Jesosy no nilaza fa mpiandry ondry izy, ary ny mpianany kosa toy ny ondry?

Vakio ny Jaona 10:11-16.

FANTATRAO TSARA VE I ASA MPANJAKA?

3. Inona no nataon’i Asa tamin’izy vao lasa mpanjaka?

Vakio ny 2 Tantara 14:2-5.

․․․․․

4. Avy aiza ilay tafika nisy miaramila iray tapitrisa niady tamin’i Asa?

Vakio ny 2 Tantara 14:9, 10.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nanao ahoana ny fihetsik’i Asa rehefa notenenin’i Hanany izy?

Vakio ny 2 Tantara 16:7-10.

Mety ve izany nataony izany? Ahoana àry no tokony hataontsika rehefa omena torohevitra? Nahoana?

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 20 Eo ambany fahefan’iza izao tontolo izao manontolo? 1 Jaona 5:․․․

PEJY 21 Tsy manao inona ny fitiavana? Romanina 13:․․․

PEJY 26 Inona no tokony hofadintsika? 1 Tesalonianina 4:․․․

PEJY 26 Manota amin’ny inona ny mpijangajanga? 1 Korintianina 6:․․․

● Valiny, pejy 22

VALIN’NY PEJY 31

1. Mosesy.

2. Davida.

3. Nesoriny ny fivavahan-diso.

4. Etiopia.