Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mahita Masoandro Miposaka

Tsy Mahita Masoandro Miposaka

Tsy Mahita Masoandro Miposaka

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY FAILANDY

HOY ny Baiboly: “Miposaka ny masoandro, ary milentika, sady maika erỳ ho any amin’ny fonenany, ka avy any indray no iposahany.” (Mpitoriteny 1:5) Tsy mahita masoandro miposaka anefa ny olona any avaratry ny Faribolan-tendrontany Avaratra, manomboka amin’ny tapaky ny Novambra ka hatramin’ny faran’ny Janoary. Tsy maintsy miaina ao anaty haizina foana ny olona mandritra ny ririnina.

Lava koa ny alina any atsimon’ny Faribolan-tendrontany Avaratra, saingy fohy kokoa noho ny any avarany. Tsy ampy 800 kilaometatra any atsimon’ny Faribolan-tendrontany Avaratra no misy an’i Saint-Pétersbourg (Rosia), Helsinki (Failandy), Stockholm (Soeda), ary Oslo (Norvezy). Adiny enina monja ny hazavan’ny andro any, amin’ny aty ririnina.

Hoy i Ari, izay nihalehibe tany Kiruna (Soeda): “Tsy marina ny hoe maizim-pito foana any amin’ny Tendrontany Avaratra rehefa ririnina. Misy hazavana ihany any amin’ny antoandro, fa toy ny vao mangiran-dratsy.” Hoy i Paula, mpanakanto mipetraka any Laponie (Failandy): “Lasa miloko manga tanora manopy volomparasy i Laponie, rehefa rakotra lanezy.”

Misy voka-dratsiny eo amin’ny olona sasany ny andro manjombona amin’ny ririnina. Hoy i Jean Sibelius, mpamoron-kira malaza any Failandy: “Misy vokany be amiko ny fiovan’ny toetrandro sy ny fizaran-taona.” Hoy koa izy: “Fohy ny andro rehefa ririnina, ka matetika aho no ketraka.” Tsy i Sibelius ihany no malahelohelo sy ketraka toy izany rehefa ririnina. Na ilay mpahay fizika atao hoe Hippocrate (460-377 T.K. tany ho any) aza, dia nilaza fa misy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-pon’ny olona ny fizaran-taona.

Taorian’ny taona 1980 vao fantatra, fa soritr’aretina ilay endrika malahelohelo lava hita amin’ny olona sasany rehefa ririnina. Fantatra tamin’ny fikarohana natao, fa voan’ny aretina atao hoe fahaketrahana vokatry ny toetrandro manjombona ny olona sasany, any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Misy aretina iray mitovitovy amin’io saingy malefaka kokoa ny fisehony. Ana hetsiny ny olona voan’izy io.

Hoy i Andrei, any Saint-Pétersbourg: “Hoatran’ny te hatory foana aho.” I Annika, any Failandy, indray malahelohelo rehefa mihamanatona ny ririnina. Hoy izy: “Toy ireny olona matahotra ny mijanona ao amin’ny trano mihidy ireny aho rehefa ririnina. Maizina foana mantsy ny andro ary tsy azo ialana izany.”

Manome torohevitra isan-karazany ny mpikaroka, mba hiatrehana an’ilay fahaketrahana mpiseho amin’ny ririnina. Milaza, ohatra, ny sasany amin’izy ireo, fa tokony tsy hijanona ao an-trano ny olona rehefa antoandro ny andro. Maro no afaka tamin’ilay aretina rehefa nanao zavatra teny an-tokotany nandritra ny ririnina.

Hoy i Jarmo, any Failandy: “Mandrehitra labozia sy jiro maro kokoa izahay amin’ny fotoana tena mahalava be ny alina.” Misy koa sitrana tamin’ilay aretina, rehefa notsaboina tamin’ny alalan’ny hazavana. Ny hafa indray mandeha miala sasatra any amin’ny faritra atsimo, mba hialana kely amin’ilay ririnina. Mampitandrina anefa ny mpikaroka sasany, fa mety ho vao mainka ketraka ny olona manao izany, rehefa mody ka tsenain’ilay ririnina manjombon-dava.

Mila jerena koa ny sakafo hanina. Manampy ny vatana hamokatra vitaminina D ny tara-masoandro. Mety tsy ho ampy vitaminina D àry ny olona tsy mahita masoandro. Voalaza fa tokony hihinana sakafo misy vitaminina D, toy ny trondro, atin-kena, ary sakafo azo avy amin’ny ronono, ny olona rehefa ririnina.

Tsy misy hazavana firy any amin’ny Tendrontany Avaratra rehefa ririnina. Rehefa mihodina anefa ny tany, ka mitodika any amin’ny masoandro indray ny Tendrontany Avaratra, dia manjary mazava foana ny andro. Lasa ny ririnina, ary tonga ny fahavaratra. Afaka mahita masoandro ianao amin’izay, na dia amin’ny misasakalina aza!

[Teny notsongaina, pejy 27]

Misy hazavana ihany any amin’ny antoandro, fa toy ny vao mangiran-dratsy

[Sary, pejy 26]

Antoandro amin’ny ririnina, Tendrontany Avaratra

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Dr. Hinrich Bäsemann/Naturfoto-Online

[Sary, pejy 26]

Ketraka ny olona maro rehefa tsy mahita masoandro