Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Haizim-pito Amin’ny Andro Antoandro”

“Haizim-pito Amin’ny Andro Antoandro”

“Haizim-pito Amin’ny Andro Antoandro”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BÉNIN

NISY fanakona-masoandro tany Afrika Andrefana, tamin’ny 29 Martsa 2006. Ny ampitson’iny, dia izao no matoam-baovao tao amin’ny gazety iray any Ghana: “Nampitolagaga Olona An-tapitrisany ny Fanakona-masoandro.” Tany amin’ny faritra atsinanan’i Brezila no nahitana azy io voalohany. Namakivaky ny Atlantika ilay haizina avy eo, ary nikisaka 1 600 kilaometatra isan’ora teo ho eo. Nandalo tany amin’ireo tanàna amorontsirak’i Ghana sy Togo ary Bénin izany, nanomboka tamin’ny valo ora maraina teo ho eo. Nanao ahoana ny fisehony?

Tamin’ny 1947 no nisy fanakona-masoandro farany tany Ghana. Hoy i Theodore, izay 27 taona tamin’izany: “Mbola tsy nahita fanakona-masoandro mihitsy ny ankamaroan’ny olona tamin’izany, ka tsy fantany izay nitranga. Nolazainy fa ‘haizim-pito amin’ny andro antoandro’ ilay izy.”

Fanentanana ny vahoaka

Nandefa fampitandremana ho an’ny vahoaka ny manam-pahefana, fa mampidi-doza ny mijery ny masoandro amin’ny fotoan’ny fanakona-masoandro. Nisy peta-drindrina lehibe maro narantiranty tany Togo, izay nisy soratra hoe: “Tandremo ny masonao! Mety ho jamba ianao!”

Zavatra roa no nampirisihan’ny manam-pahefana hatao: Mijery an’ilay fanakona-masoandro amin’ny tele ao an-trano, na mijery azy eny an-tokotany ka mampiasa solomaso fiarovana. Olona an-tapitrisany no nijery an’ilay izy tamin’ny tele na ordinatera. Hafa mihitsy anefa ny tsapan’ireo nijery nivantana. Nientanentana be ny olona talohan’ilay fanakona-masoandro sy nandritra izany. Liana te hahafanta-javatra izy ireo, ary re hatraiza hatraiza ny horakoraka. Andeha ange hojerentsika izay nitranga e!

Tsindrin-daona be ihany!

Toy ny isan’andro ihany ny toetrandro tany Afrika Andrefana ny maraina tamin’io andro io. Nibaliaka ny masoandro ary manga ny lanitra. Hisy ihany ve ilay fanakona-masoandro? Rehefa nihananatona ny ora voalaza fa hanombohan’izy io, dia nametaka solomaso ireo nijery teny ivelany, ary nibanjina ny lanitra. Ny sasany nitelefaonina ny namany, mba hanontany izay hitany.

Tsy tazana ny volana tamin’ny voalohany, nefa nihananatona ilay toerana hanakonany ny masoandro. Any amin’ny 350 000 kilaometatra ambonin’ireo mpitazana no misy azy. Hita tampoka ny volana avy eo, ary toy ny zavatra matroka manomboka manakona ny masoandro. Nitombo ny fientanentanana rehefa nihabetsaka ny olona nahita izany.

Tsy nisy fiovana teo amin’ny manodidina tamin’ny voalohany. Nisy zavatra niova anefa, rehefa nanakona tsikelikely ny masoandro ny volana. Nihamaloka ilay lanitra manga. Nihanangatsiaka ny andro. Nirehitra daholo ireo jiro teny an-dalana noho ilay haizina tamin’ny andro maraina. Nangina ny lalana. Nihidy avokoa ny tsena. Tsy nisiotsioka intsony ny vorona, ary namonjy fodiana sy niomana hatory ny biby. Maizina be ny andro, rehefa afaka kelikely. Takona tanteraka ny masoandro, ary nanjaka ny fahanginana.

Tsy hay hadinoina ilay izy!

Nanomboka namiratra ny kintana. Tazana nanodidina ilay volana mainty ny hazavan’ny gazy ivelany indrindra amin’ny masoandro. Toy ny perla fotsy no fahitana azy. Niseho nanodidina ny volana, avy eo, ireo hazavana kely mipendrampendrana, atao hoe Vakan’i Baily. * Vokatry ny taratry ny masoandro miantefa amin’ireo lohasaha sy faritra samihafa amin’ny volana izany. Nahitana toy ny peratra misy diamondra taoriana kelin’izay, ary avy eo nisy tara-pahazavana mavomena sy mavokely. Hoy ny mpitazana iray: “Mbola tsy nahita zavatra mampitolagaga toy izao aho. Tena tsara tarehy ilay izy!”

Naharitra telo minitra teo ho eo ilay haizim-pito. Nanomboka niseho indray ny masoandro avy eo, ka nihorakoraka ny olona. Nazava ny lanitra ary nanjavona ireo kintana. Nifarana ilay fisehoan-javatra tsy nahazatra.

“Vavolombelona marina” eny amin’ny lanitra ny volana. Azo fantarina taonjato maro mialoha àry ny fotoana hisian’ny fanakona-masoandro. (Salamo 89:37) Enimpolo taona talohan’io no nisy fanakona-masoandro farany tany Afrika Andrefana. Amin’ny taona 2081 indray vao hisy any. Tsy ho ela angamba dia ho afaka hijery fanakona-masoandro any amin’ny faritra misy anao ianao. Tsy hay hadinoina ilay izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Avy amin’ny anaran’i Francis Baily, astronoma anglisy, io anarana io. Izy no nahamarika voalohany an’io hazavana io, nandritra ny fanakona-masoandro tamin’ny 1836.

[Efajoro/Sary, pejy 29]

Fanakona-masoandro ve Ilay Haizina Tamin’ny Andro Nahafatesan’i Jesosy?

Hoy ny Marka 15:33: “Ary nisy haizina nanarona an’ilay faritra manontolo nanomboka tamin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy.” Fahagagana io haizina naharitra adiny telo io, izay nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny 3 ora tolakandro. Tsy fanakona-masoandro ilay izy. Nahoana? Maharitra fito minitra sy sasany, raha ela indrindra, ny fanakona-masoandro, na aiza na aiza eto an-tany. Ankoatra izany, dia maty ny 14 Nisana i Jesosy. Isaina manomboka amin’ny tsinam-bolana ny 1 Nisana. Eo anelanelan’ny tany sy ny masoandro ny volana amin’io fotoana io, ka amin’izay ihany vao mety hisy fanakona-masoandro. Mandra-pahatongan’ny 14 Nisana, dia efa mahodidina ny antsasaky ny faribolan’ny tany ny volana. Eo anelanelan’ny masoandro sy ny volana àry ny tany, ny 14 Nisana. Tsy manakona ny masoandro ny volana amin’io fotoana io, fa mandefa taratry ny hazavan’ny masoandro etỳ an-tany kosa. Volana fenomanana àry no hitantsika avy etỳ an-tany, rehefa 14 Nisana. Fotoana mety tsara ahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy izany.

[Sary]

Fenomanana na manakaiky ny fenomanana foana ny 14 Nisana

[Kisary/Sarintany, pejy 28, 29]

(Jereo ny gazety)

Faritra nandalovan’ilay fanakona-masoandro

⇧ AFRIKA

BÉNIN ●

TOGO ●

GHANA ●

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 28]

Ilay fanakona-masoandro tamin’ny 29 Martsa 2006

[Sary, pejy 28]

Solomaso fijerena fanakona-masoandro