Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana

Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana

Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana

Fa maninona àry aho? Vao teo aho no niteraka zazakely mahafatifaty sy salama tsara. Tokony ho sambatra sy kevoka erỳ aho, nefa tena kivy sy mitebiteby, ary tezitra mihitsy aza. Tsy haiko ve ny miantsoroka ny andraikitro? Nahoana àry aho no ketraka be toy izao?

METY ho nahatsapa zavatra toy izany koa ianao, raha sambany vao niteraka. Raha izany no izy, dia tsy irery ianao. Voalaza fa ny 70 ka hatramin’ny 80 isan-jaton’izy ireny no mety hahatsapa izany indraindray. Fa inona no atao hoe fahaketrahana aorian’ny fiterahana, ary inona no mahatonga azy io? Inona no tokony hatao rehefa voany? Ahoana no azon’ny fianakaviana sy ny olon-kafa anampiana?

Aretina

Mety ho ketraka ny vehivavy rehetra isaky ny avy niteraka, fa tsy hoe aorian’ny fiterahana ny zaza voalohany ihany. Mety hitranga amin’ny vehivavy afa-jaza na nanala zaza koa ny fahaketrahana. Lazain’ny Birao Mikarakara ny Fahasalaman’ny Vehivavy, ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana Amerikanina, fa miovaova be ny hamafin’io aretina io.

Maro amin’ny vehivavy no somary ketraketraka, rehefa avy miteraka, ka hita ho malahelohelo, mitebiteby, kizitina, mbetika faly ary mbetika tezitra, ary reraka. Azo lazaina ho ara-dalàna sy mihelina izany, ka afaka ho azy ao anatin’ny folo andro eo ho eo aorian’ny fiterahana.

Izao anefa no lazain’ny Akademia Amerikanin’ny Dokotera Manam-pahaizana Momba ny Fiterahana sy ny Aretim-behivavy: Ho an’ny vehivavy 1 ao anatin’ny 10, izay sambany vao niteraka, dia mafy kokoa ny soritr’aretina ary tsy sitrana ao anatin’ny andro vitsivitsy. Mety hitranga volana maromaro atỳ aorian’ny fiterahana aza ilay fahaketrahana. Izany no mety ho tena fahaketrahana aorian’ny fiterahana, ka mafy be ny alahelo sy tebiteby, na fahakiviana. Sahirana ilay reny vao mahavita ny asa fanaony andavanandro.

Misy koa vehivavy 1 ka hatramin’ny 3 ao anatin’ny 1 000, izay sambany vao niteraka, no voan’ny aretin-tsaina aorian’ny fiterahana. Mahita zavatra tsy tena izy ilay vehivavy amin’izay, ary matetika no te handratra ny tenany na ilay zanany. Mitaky fitsaboana haingana dia haingana ny toe-javatra toy izany. *

Antony

Tsy misy antony tokana mazava tsara mahatonga ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana. Toa samy tafiditra ao ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po. Ity no mety ho antony ara-batana: Midina tampoka ny fatran’ny estirôzenina sy prôzesteronina, iray na roa andro aorian’ny fiterahana. Miova tampoka àry ny fiasan’ny zavatra ao amin’ny vatana. Mety hahatonga fahaketrahana izany, mitovy amin’izay mahazo ny vehivavy alohan’ny fadimbolana. Mety hidina koa ny fatran’ny hormonina vokarin’ny tiroida, aorian’ny fiterahana, ka mahatonga soritr’aretina mitovy amin’ny fahaketrahana. Izany no iantsoan’ny mpikaroka an’io fahaketrahana aorian’ny fiterahana io hoe “fikorontanana mahakasika zavatra simika sy hormonina.”

Lazain’ny gazety iray momba ny fahasalamana fa mety hahatonga ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana koa ny tsy fifandanjan’ny sakafo, toy ny tsy fahampian’ireo vitaminina B.

Mety hiteraka fahaketrahana koa ny harerahana sy tsy fahampian’ny torimaso. Hoy ny Profesora Altchuler, mpitsabo aretin-tsaina ao amin’ny Mayo Clinic, any Minnesota, Etazonia: “Aoriana kelin’ny fiterahana, dia mety ho lasa toy ny olana goavana amin’ilay reny ny olana madinika, raha reraka sy tsy ampy torimaso izy. Mety ho kivy ny reny sasany rehefa tsy mahavita raharaha tsara toy ny taloha, izany hoe tamin’izy mbola tsy ketraka sy ampy torimaso tsara.” Mety hampitombo ny fahaketrahana koa ny anton-javatra ara-pihetseham-po. Ohatra: ketraka ilay vehivavy satria tsy nampoiziny ilay fananana anaka, na teraka tsy tonga volana ny zanany, na tsy hanam-potoana malalaka toy ny taloha intsony izy, na matahotra izy sao hanaratsy ny bikany ny fiterahana, na tsy hisy olona hanampy azy.

Eo koa ny hevi-diso momba ny adidin’ny reny, ka mety hahatonga an’ilay reny ho ketraka sy hahatsapa ho tsy mahay na inona na inona. Anisan’izany hevi-diso izany ny hoe tonga ho azy ny fahaizana mitaiza, tokony hisy avy hatrany ny firaiketam-po eo amin’ny reny sy ny zanany, ho hendry be ny zazakely ka tsy hanahirana, ary ny hoe tokony ho tonga lafatra ny reny sambany vao miteraka. Tsy izany anefa no tena zava-misy. Tsy maintsy ianarana ny fitaizana; rehefa mandeha ny fotoana vao misy ny firaiketam-po eo amin’ny reny sy ny zanany; tsy mora tezaina daholo koa ny zazakely rehetra; ary tsy misy ny atao hoe reny tonga lafatra.

Ekena fa tena aretina

Vao haingana no mba nasiana fiheverena ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana. Hoy ny Dr. Laurence Kruckman: “Tsy mba nasiana resaka ny fahasalamana ara-tsain’ny vehivavy, fa nolazaina aza taloha hoe aretin’ny olona taitaitra izy io, ka tsy tokony hoheverina ho zava-dehibe. Ny boky momba ny famantarana aretina, navoakan’ny Fikambanana Amerikanina Mitsabo Aretin-tsaina, dia mbola tsy tena nanaiky ny fisian’ny aretina aorian’ny fiterahana. Vokatr’izany dia tsy nampianarina momba azy io ny dokotera, ary tsy misy fanazavana marim-pototra momba azy io. . . . Tsy toy ny tamin’ny 30 taona lasa intsony koa ny toe-javatra ankehitriny, satria matetika no afaka iray andro ny vehivavy tera-bao dia efa mody. Afaka telo ka hatramin’ny 14 andro aorian’ny fiterahana anefa vao miseho ny aretin-tsaina sy alahelo ary fahaketrahana. Efa any an-tranony ilay reny amin’izay, ka tsy hitan’ireo dokotera mahalala tsara ny soritr’aretina.”

Nilaza anefa ny Dr. Carol Watkins, ao amin’ny Fikambanana Mpitsabo Aretin-tsaina any Amin’ny Faritany Avaratra, any Baltimore, Maryland, fa raha tsy hita, na tsy voatsabo ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana, dia mety hahatonga fahaketrahana maharitra sy hanasarotra ny firaiketam-po eo amin’ilay reny sy ny zanany. Raha voan’ny fahaketrahana ny reny, dia izao no mitranga: Na izy tsy hiraharaha mihitsy izay ilain-janany, na tsy hahafehy tena ka hikapoka an’ilay zazakely. Hanimba ny fivelaran’ny saina sy ny fihetseham-pon’ilay zaza izany.

Nilaza, ohatra, ny lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety hoe Dokoteram-pianakaviana Amerikanina (anglisy), fa rehefa natao ny fitsapana, dia hita fa tsy mahay mamanta-javatra kokoa ireo ankizy nanana reny ketraka, noho ireo nanana reny tsy ketraka. Mety hanimba an’ireo zanaka hafa sy ny vady koa ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana.

Fitsaboana

Inona no azo atao? Voatery hiaritra fotsiny ve ianao? Mampahery ny mahalala fa sady mihelina ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana no azo tsaboina tsara. * Mety ho fialan-tsasatra sy fiaraha-miasan’ny mpianakavy fotsiny no ilaina, raha malefaka ireo soritr’aretina. Raha mahatonga anao tsy hahavita ny adidinao kosa ilay fahaketrahana, dia tena mila fitsaboana ianao, hoy ny Birao Mikarakara ny Fahasalaman’ny Vehivavy.

Be mpampiasa ny fanafody manalefaka fahaketrahana, * ny firesahana amin’ny manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina, ny fitsaboana amin’ny alalan’ny hormonina, na fitambaran’ireo rehetra ireo, arakaraka ny hamafin’ilay aretina. Mety hihena koa ny fahaketrahan’ny reny raha manaraka ny fomba fitaizan’ny kangoroa izy. * Eo koa anefa ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry, ny tsindrona volamena, ary ny fanafody hômeôpatika.

Misy zavatra azonao atao koa anefa. Ohatra, mihinàna sakafo mahavelona (toy ny voankazo sy legioma); fadio ny sakafo misy kafeinina sy ny alkaola ary ny siramamy; manaova fanatanjahan-tena antonony; ary matoria kely rehefa matory ny zanakao. Nitomany andro aman’alina i Zoraya, reny kristianina, nandritra ny andro maromaro taorian’ny niterahany vavy kely salama tsara. Nolazainy fa nanampy azy handresy an’ilay fahaketrahana ny fandraisana anjara haingana araka izay azony natao tamin’ny asa ara-panahy fanaony, satria Vavolombelon’i Jehovah izy.—Jereo ny faritra voafefy misy torohevitra fanampiny.

Ahoana no azon’ny olon-kafa anampiana?

Ny tsy fahampian’ny fialan-tsasatra no antony lehibe mahatonga ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana. Afaka manampy àry ny hafa amin’ny fanaovana ny raharaha sasany ao an-trano sy ny fikarakarana ilay zazakely. Araka ny fandinihana, dia tsy fahita firy eo amin’ireo tsy misara-mianakavy ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana, satria eo ny havana mba hanampy sy hampianatra. Matetika koa no tena ilaina ny olona mangoraka sy mihaino tsara, sy manome toky an’ilay reny izay sambany vao niteraka, ary tsy manakiana na mitsara azy. Tadidio fa tena aretina ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana, fa tsy zavatra foronin’ny sain’ilay vehivavy fotsiny. Lazain’ny fikambanana momba ny Fampianarana ny Ray Aman-dreny Aorian’ny Fiterahana, fa “tsy afaka miady irery ny vehivavy voan’izy io, fa toy ny olona voan’ny gripa, na diabeta, na marary fo.”

Hitantsika àry fa fotoam-pifaliana ho an’ny vehivavy ny fotoana iterahany voalohany, nefa mety ho fotoana tena handreraka ny fony sy ny sainy koa. Hanampy antsika hanohana azy ny fahafantarana ny atao hoe fahaketrahana aorian’ny fiterahana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Tsy tokony hafangaro ny fahaketrahana aorian’ny fiterahana sy ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo, izay mety hahazo ny reny sasany saro-piterahana. Mety hiara-miseho koa anefa ireo aretina roa ireo.

^ feh. 19 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ma victoire contre la dépression postnatale”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Jolay 2002.

^ feh. 20 Mety hanimba ny rononon-dreny ny fanafody sasany, ka anontanio ny dokoteranao mba hanaovana ny safidy tsara indrindra, raha hampinono ianao.

^ feh. 20 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Vahaolana Mandaitra ve ny ‘Fomba Fitaizan’ny Reny Kangoroa’?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona 2002.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Torohevitra ho An’ireo Voan’ny Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana

1. Resaho amin’olon-kafa, indrindra fa amin’ny reny hafa, ny mahazo anao.

2. Asaivo ampian’ny olona ianao mba hikarakara ilay zazakely sy hanao raharaha ary hirakirahina. Asaivo manampy anao koa ny vadinao mba hanome sakafo an’ilay zaza amin’ny alina, sy hanampy amin’ny raharaha.

3. Makà fotoana mba hanaovanao izay zavatra mahafinaritra anao, na dia 15 minitra isan’andro monja aza. Miezaha mamaky boky, mitsangantsangana, mandro mba hanalana havizanana.

4. Na zavatra iray monja aza no mety ho vitanao ao anatin’ny andro, dia efa tsara izay. Mety hisy andro tsy hahavitanao na inona na inona koa anefa. Miezaha tsy ho tezitra amin’ny tenanao raha mitranga izany.

5. Aza mitokantokana, fa mahatonga ny fahaketrahana tsy ho sitrana mihitsy izany matetika. Miakanjoa, dia mba mandehana mivoaka kely isan’andro. Tena hahasoa anao sy ny zanakao ny rivotra madio sy ny fiovana toy izany.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy tamin’ny Akademia Amerikanin’ny Dokoteram-pianakaviana, sy ny Fikambanana Amerikanin’ny Dokotera Manam-pahaizana Momba ny Fiterahana sy ny Aretim-behivavy, ary ny Birao Mikarakara ny Fahasalaman’ny Vehivavy.