Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

Hevitra Azo Resahina

Hevitra Azo Resahina

EZAKA MANOKANA HIZARANA FANASANA FAHATSIAROVANA (11 Martsa–4 Aprily)

“Misy fotoan-dehibe tianay hanasana anao. Olona an-tapitrisany no hanatrika azy io. Mitsingerina amin’io mantsy ny andro nahafatesan’i Jesosy.” Omeo na andefaso fanasana ilay olona. “Voalaza ato amin’ity fanasana ity ny toerana sy ny ora hanaovana azy. Misy lahateny tianay hanasana anao koa ny alahady [na asabotsy] alohan’io.”

Raha liana ilay olona: Asehoy [na alefaso SMS na e-mail] ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy.

Horesahina amin’ny manaraka: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?

FITORIANA (1-10 Martsa, 5-30 Aprily)

Fanontaniana: Iza moa i Jesosy?

Andinin-teny: Mt 16:16

Horesahina amin’ny manaraka: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?

FIVERENANA MITSIDIKA

Fanontaniana: Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?

Andinin-teny: Mt 20:28

Horesahina amin’ny manaraka: Ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka ny vidim-panavotana isika?