Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 9

Tahafo Ilay Mesia

Tahafo Ilay Mesia

NILAZA mialoha Andriamanitra fa hotendreny ho Mpitarika ny firenena rehetra ny Mesia. Fantany hoe mpitarika hoatran’ny ahoana no tena ilaintsika, ka ilay tsara indrindra no nofidiny. Mpitarika manao ahoana tokoa ny Mesia? Jeneraly mahay ve, sa mpanao politika ikoizana, sa filozofa lalin-tsaina? Asehon’ny Soratra Masina fa mpaminany miavaka ilay Mesia, izany hoe i Jesosy Kristy.—Matio 23:10.

Narovan’Andriamanitra i Jesosy mba ho lavorary sy masina rehefa teraka. Niezaka mafy hampivadika an’i Jesosy i Satana, nefa notoheriny foana izany. Na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony, dia nanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra izy, anisan’izany ny fahaiza-mampiasa ny hery, fanaovana ny rariny, fahendrena, ary fitiavana. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny modely nomen’i Jesosy?

Vonona hanampy ny hafa foana i Jesosy

Nampiasainy hanampiana ny hafa ny hery nomen’Andriamanitra azy. Tena tia olona i Jesosy, ka vonona foana hampiasa ny heriny hanampiana ny hafa. ‘Mampalahelo ahy ny vahoaka, fa tsy manan-kohanina’, hoy izy. (Marka 8:2) Nanao fahagagana àry izy mba hanan-kohanina ny vahoaka be tonga hihaino azy.

Nitety toerana maro koa i Jesosy ka nampianatra sy “nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra, teo amin’ny vahoaka.” (Matio 4:23) Tsy mahagaga raha maro no nanaraka azy. “Nitady hikasika azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.” (Lioka 6:19) “Tsy tonga mba hotompoina” tokoa i Jesosy, “fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) a Firy amin’ny olombelona mpitarika no mahafoy tena toy izany?

Tia ankizy i Jesosy

Manao ny rariny toa an’Andriamanitra izy. Nankatò tanteraka ny lalàn’Andriamanitra izy, nefa tsy hoe nankatò befahatany fotsiny fa nitadidy ny antony nanaovana ilay lalàna. Toy ny hoe nilaza toy izao izy, araka ny efa nambaran’ny Soratra Masina: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” (Salamo 40:8) Nanahaka an’Andriamanitra izy ka tsy nanavakavaka fa nanaja ny olon-drehetra, na ny mahantra na ny manana, na lahy na vavy, na ankizy na lehibe. Indray andro, dia nisy ray aman-dreny nitondra ny zanany teo amin’i Jesosy, nefa nobedesin’ny mpianany. Hoy anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.”—Marka 10:14.

Nanana ny fahendren’Andriamanitra izy. Nahatakatra tsara ny fihetseham-pon’ny olona i Jesosy. “Nahalala izay tao am-pon’ny olona izy.” (Jaona 2:25) Na ny olona nirahin’ny fahavalony hisambotra azy aza niaiky hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” Taiza no nahazoan’i Jesosy izany fahendrena izany? Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.”—Jaona 7:16, 46.

Nanasitrana ny marary i Jesosy satria nangoraka

Be fitiavana toa an’Andriamanitra izy. Nangoraka olona i Jesosy. Niangavy azy ny lehilahy iray “rakotry ny habokana” hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Nangoraka azy izy ka “nanatsotra ny tanany”, ary “nikasika azy sady nanao hoe: ‘Sitrako tokoa. Madiova ianao.’ Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana.” (Lioka 5:12, 13; Marka 1:41, 42) Tena naniry hampitsahatra ny fijalian’io lehilahy io i Jesosy.

Miahy anao koa ve i Jesosy? Izy mihitsy no mamaly hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:28, 29.

Tsy hahita Mpitarika tsara toa an’i Jesosy isika. Izy mihitsy no manasa antsika hoe: “Mianara amiko.” Hanaiky izany ve ianao? Ho sambatra ianao raha manaiky.