Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 127

Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i Pilato

Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i Pilato

MATIO 27:1-11 MARKA 15:1 LIOKA 22:66–23:3 JAONA 18:28-35

  • NOTSARAINA VAO MARAINA TEO ANATREHAN’NY FITSARANA AVO JIOSY I JESOSY

  • NANANDRANA NANANTON-TENA I JODASY ISKARIOTA

  • NENTINA TANY AMIN’I PILATO MBA HOMELOHINA I JESOSY

Efa nadiva haraina ny andro tamin’i Petera nanda an’i Jesosy fanintelony. Vita ilay fitsarana sarintsariny, ary samy lasa ireo anisan’ny Fitsarana Avo. Nivory indray izy ireo ny zoma vao maraina, mba ho toy ny hoe ara-dalàna ilay fitsarana nataony ny alin’iny. Nentina teo amin’izy ireo i Jesosy.

Nanontany indray ilay fitsarana hoe: “Lazao aminay raha ianao no Kristy.” Hoy i Jesosy: “Na holazaiko aminareo aza, dia tsy hino mihitsy ianareo. Ary raha hanontaniako ianareo, dia tsy hamaly mihitsy.” Sahy nilaza anefa i Jesosy hoe izy ilay voaresaka ao amin’ny Daniela 7:13. Hoy izy: “Manomboka izao, dia hipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ny Zanak’olona.”—Lioka 22:67-69; Matio 26:63.

Nanontany indray izy ireo hoe: “Zanak’Andriamanitra ve izany ianao?” Hoy i Jesosy: “Voalazanareo fa izany aho.” Toa marina ilay fiampangana an’i Jesosy ho manevateva an’Andriamanitra, ka mendrika ny ho faty izy. Hoy àry izy ireo: “Inona indray no ilantsika porofo?” (Lioka 22:70, 71; Marka 14:64) Nofatorany i Jesosy ary nentiny tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina.

Nety ho nahita an’i Jesosy nentina tany amin’i Pilato i Jodasy Iskariota. Fantany fa voaheloka i Jesosy ka nanenina sy namoy fo izy. Tsy tena nibebaka sy niverina tamin’Andriamanitra anefa izy. Naveriny ireo sekely volafotsy 30, ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny mpisorona: “Nanota aho fa namadika olo-marina.” Tsy nihontsina akory izy ireo namaly hoe: “Ahoanay inona izany? Raharahanao izany!”—Matio 27:4.

Natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly ireo farantsa volafotsy 30. Nanampy trotraka ny ratsy nataony izy avy eo ka nanandrana nananton-tena. Toa tapaka anefa ilay sampan-kazo namatorany ny tady, ka nilatsaka teny amin’ireo vato teny ambany izy ary potipotika ny vatany.—Asan’ny Apostoly 1:17, 18.

Nentina vao maraina tao an-dapan’i Pontio Pilato i Jesosy. Tsy nety niditra tao anefa ireo Jiosy nitondra azy. Nihevitra izy ireo fa haloto raha mifandray amin’ny tsy Jiosy, ka tsy ho afaka hihinana ny sakafo tamin’ny 15 Nisana. Io no andro voalohany amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Noheverina ho anisan’ny Paska io fety io.

Nankeny ivelany i Pilato ary nanontany hoe: “Inona no iampanganareo an’io lehilahy io?” Hoy izy ireo: “Tsy ho natolotray anao izy raha tsy mpanao ratsy.” Nihevitra angamba i Pilato hoe nanandrana nanery azy izy ireo, ka hoy izy: “Ento izy, ary tsarao araka ny lalànareo.” Hoy anefa ny Jiosy: “Tsy azonay atao ny mamono olona.” (Jaona 18:29-31) Hita fa te hamono an’i Jesosy ho faty izy ireo.

Nety ho nikorontana ny vahoaka raha novonoin’ny Jiosy tamin’ny Paska i Jesosy. Tsy ho diso teo anatrehan’ny vahoaka anefa ny Jiosy, raha vitany ny niampanga an’i Jesosy ho mpanohitra ny fitondrana romanina ka ny Romanina ihany no namono azy. Nanan-jo hanao izany mantsy ny Romanina.

Tsy nolazain’ny mpitondra fivavahana tamin’i Pilato hoe nomelohin’izy ireo ho nanevateva an’Andriamanitra i Jesosy. Namorona fiampangana hafa izy ireo, ka nilaza hoe: “Ity lehilahy ity hitanay [1] nampikomy ny firenenay, ary [2] nandrara tsy handoa hetra amin’i Kaisara, sady [3] nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.”—Lioka 23:2.

Solontenan’i Roma i Pilato ka rariny raha nampanahy azy ilay fiampangana an’i Jesosy hoe nilaza tena ho mpanjaka. Niditra tao an-dapa indray àry izy, niantso an’i Jesosy, ary nanontany hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” Te hilaza izy hoe: ‘Nandika ny lalàn’ny Fanjakana Romanina ve ianao, ka nilaza tena ho mpanjaka manohitra an’i Kaisara?’ Tian’i Jesosy ho fantatra angamba hoe inona avy no efa ren’i Pilato momba azy, ka hoy izy: “Hevitrao samirery ve izany, sa nisy nilaza taminao ny momba ahy?”—Jaona 18:33, 34.

Niseho ho tsy nahalala ny momba an’i Jesosy i Pilato nefa te hahalala ihany, ka namaly hoe: “Izaho ange tsy Jiosy e!” Hoy koa izy: “Ny firenenao sy ny lehiben’ny mpisorona no nanolotra anao tamiko. Fa inona no nataonao?”—Jaona 18:35.

Ny maha mpanjaka an’i Jesosy no tena niadian-kevitra, ary tsy nitady hiala tamin’io resaka io izy. Azo antoka fa gaga be i Pilato Governora rehefa nandre ny valin-teniny.