Salamo 46:1-11

  • ‘Fialofana ho antsika Andriamanitra’

    • Mahagaga ny asan’Andriamanitra (8)

    • Ataon’i Jehovah tsy misy ady intsony eran-tany (9)

Ho an’ny mpitarika. Nataon’ny taranak’i Kora.+ Atao Alamota.* Hira. 46  Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra.+Vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.+   Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany,Na mianjera any amin’ny ranomasina lalina aza ny tendrombohitra,+   Na midoboka mafy sy mandroatra aza ny ranomasina,+Ary na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra noho ny ranomasina misamboaravoara. (Sela)   Misy renirano misy sampany maro mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,+Dia ilay tranolay be voninahitra sy masina, izay an’ny Avo Indrindra.   Ao amin’ilay tanàna Andriamanitra,+ ka tsy azo ravana izy io. Hamonjy azy io Andriamanitra raha vao mangiran-dratsy ny andro.+   Nitabataba be ireo firenena, ary naongana ireo fanjakana;Nampiaka-peo Izy, ka nitsonika ny tany.+   Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Fialofana* azo antoka ho antsika ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)   Avia hijery ny asan’i Jehovah,Dia ny zava-mahagaga ataony eto an-tany.   Ataony tsy misy ady intsony eran-tany.+ Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona;Dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.* 10  “Ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra. Hisandratra eo amin’ireo firenena aho,+Ary hisandratra eran-tany.”+ 11  Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika;+Fialofana azo antoka ho antsika+ ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “Toerana avo.”
Na mety hoe “ny ampinga.”