Hijery ny anatiny

ANDAO HIANATRA AVY AMIN’NY NAMAN’I JEHOVAH

Hanania sy Misaela ary Azaria

Hanania sy Misaela ary Azaria

Ampiasao ity kilalao ity mba hianarana avy amin’ireto naman’i Jehovah ireto: Hanania sy Misaela ary Azaria.

Ry ray aman-dreny, vakio sy iaraho midinika amin’ny zanakareo ny Daniela 1:3-7 sy izay andinin-teny ao amin’ny toko faha-3 hitanareo hoe tena azo akana lesona.

Alaivo ity kilalao ity dia ataovy pirinty.

Hetezo ny sarin’ny olona ao amin’ny pejy 1, dia apetaho eo amin’ilay sary eo amin’ny pejy 2. Araho ilay toromarika eo amin’ny pejy 1 rehefa manambatra an’ilay izy. Iaraho midinika koa ireo fanontaniana ao amin’ilay video.