Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao

Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao

 Nahoana no ilaina ny mitandrina ny sakafo haninao?

 Miankina amin’ny sakafo haninao ny fahasalamanao. Hihatsara ny fahasalamanao raha mihinana sakafo azo antoka sy mahasalama ianao. Mety ho voan’ny aretina ratsy be kosa ianao raha tsy mitandrina ny sakafo haninao. Raha ratsy, ohatra, ny solika hampidirina amin’ny fiara iray, dia mety hanimba an’ilay fiara ilay izy. Hoatr’izany ihany ny sakafo! Mety tsy harary eo no ho eo ianao, fa tsy maintsy harary any aoriana any.—Galatianina 6:7.

 Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) hoe samy manana olana amin’ny resaka sakafo daholo ny firenena rehetra maneran-tany. Tsy ampy sakafo, ohatra, ny olona any amin’ny firenena sasany fa matavy loatra indray ny any amin’ny firenena hafa. Raha zatra mihinana sakafo na misotro zava-pisotro tsy mahasalama ianao, dia mety hatahorana kokoa harary fo, ho tapaka lalan-dra, ho voan’ny diabeta na kansera. Vao haingana izay, araka ny fikarohana iray, dia olona 11 tapitrisa, fara fahakeliny, no maty tao anatin’ny herintaona satria zatra nihinana sakafo tsy mahasalama. Milaza ny OMS fa mahafaty olona arivo mahery isan’andro ny sakafo misy mikraoba, sady mahatonga olona an-jatony tapitrisa ho voan’ny aretina ratsy be.

 Lazain’ny Baiboly hoe nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ny sakafo hanintsika. Milaza izy io hoe Andriamanitra no “loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Fanomezana ny aina. Asehontsika hoe mankasitraka azy io isika raha mikarakara tsara ny fahasalamantsika sy ny an’ny fianakaviantsika. Hanampy anao hahavita an’izany ireto.

 Zavatra efatra azonao atao mba ho azo antoka ny sakafonao

 1. Ataovy madio tsara ny zava-drehetra rehefa mahandro sakafo.

 Nahoana? Mety ho tafiditra ao amin’ny vatanao ny mikraoba mampidi-doza a amin’ny sakafo na rano, ka hankarary anao.

 Torohevitry ny mpitsabo:

  •   Sasao amin’ny rano sy savony b ny tananao alohan’ny hikarakarana sakafo. Ampifampikoseho mandritra ny 20 segondra, fara fahakeliny, ny tananao. Diovy ny ao ambadiky ny felatanana, ny eny anelanelan’ny rantsantanana, ary ny hoho. Kobano ny tananao avy eo ary hamaino tsara.

  •   Sasao amin’ny rano sy savony ny fitaovana fitetehana sakafo, ny vilia, na ny zavatra rehetra mety hikasoka amin’ny sakafo. Aleo koa fitaovana fitetehana samy hafa no hampiasaina rehefa hitetika ny sakafo handrahoina sy ny sakafo tsy mila handrahoina.

  •   Sasao daholo ny voankazo sy ny legioma. Mampiasà ranoka famonoana otrikaretina rehefa manasa azy ireny, raha ohatra ka rano fanariana maloto no manondraka an’ilay tany nambolena azy.

 2. Atokano ny sakafo manta sy masaka.

 Nahoana? Mety hifindra amin’ny sakafo hafa ny mikraoba amin’ny sakafo manta, ohatra hoe ny hena.

 Torohevitry ny mpitsabo:

  •   Aza atambatra amin’ny sakafo masaka ny sakafo manta, indrindra fa ny hena, rehefa mitondra azy ireny mody avy any an-tsena ianao na rehefa mitahiry azy.

  •   Rehefa avy mitetika hena manta ianao, dia sasao tsara ny tananao, ny antsy, ary ny fitaovana nitetehanao azy, alohan’ny hitetehanao sakafo hafa.

 3. Ataovy masaka tsara ny sakafo andrahoinao.

 Nahoana? Mila mahamay tsara ny sakafo vao maty ny mikraoba aminy.

 Torohevitry ny mpitsabo:

  •   Ataovy mahamay be ny sakafo andrahoinao. Mila mahatratra 70 degre ilay izy mandritra ny 30 segondra, fara fahakeliny. Mila mahatratra an’io hafanana io, ohatra, ny farany anatiny amin’ny hena mba ho maty ny mikraoba aminy.

  •   Rehefa manao lasopy na mahandro sakafo misy rony ianao dia ataovy mangotraka tsara ilay izy.

  •   Raha efa mangatsiaka ny sakafo nandrahoinao, dia hafanao ilay izy alohan’ny hihinanana azy. Tokony hahamay tsara sy hamoaka etona ilay izy.

 4. Tandremo ny mari-pana itehirizanao sakafo.

 Nahoana? Raha tehirizina amin’ny toerana eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 60 degre ny sakafo, na mandritra ny 20 minitra fotsiny aza, dia efa mety hitombo avo roa heny ny bakteria amin’ilay izy. Raha tsy amin’ny hafanana tokony ho izy koa no hitehirizana ny hena manta, dia mbola ho tavela ny poizina avoakan’ny bakteria sasany na dia andrahoina aza ilay hena.

 Torohevitry ny mpitsabo:

  •   Rehefa mitahiry sakafo ianao, dia aza atao matimaty ilay izy, fa na mahamay na mangatsiaka tsara. Tsy hihabetsaka ny mikraoba amin’izay, na ho ela vao hitombo.

  •   Raha tsy nampidirina ao anaty vata fampangatsiahana ny sakafo, dia aza avela amin’izao mihoatra ny adiny roa. Raha mihoatra ny 32 degre indray ny hafanana dia aza avela amin’izao mihoatra ny adiny iray ny sakafo.

  •   Rehefa avy nandrahoina ny sakafo, dia ataovy mafana tsara foana mandra-pihinana azy.

 Torohevitra telo hanampy anao hihinana sakafo mahasalama

 1. Mihinàna voankazo sy legioma isan-karazany isan’andro.

 Be vitaminina sy otrikaina hafa mahasalama ny voankazo sy ny legioma. Milaza ny OMS fa mila karazana voankazo sy legioma dimy isan’andro, fara fahakeliny, ny vatantsika. Tsy tafiditra amin’izany anefa ny legioma avy any ambanin’ny tany, toy ny ovy na mangahazo.

 2. Aza mihinana zavatra be menaka sy matavy loatra.

 Milaza ny OMS fa tsara raha ferana ny sakafo voaendy hanina na ny sakafo efa vonona vokarin’ny indostria, toy ny gatô, bisikoỳ, na zavatra hafa mifono. Misy menaka tsy mahasalama mantsy matetika amin’izy ireny. Raha azo atao, dia menaka mora levonina avy amin’ny zavamaniry c ampiasaina. Tsara kokoa ireny karazana menaka ireny raha oharina amin’ny menaka sarotra levonina.

 3. Fero ny sira sy ny siramamy haninao isan’andro.

 Tsy tokony hihoatra ny iray sotrokely ny sira hanin’ny olon-dehibe iray, araka ny torohevitry ny OMS. Milaza koa ny OMS fa tsy tokony hihoatra ny 60 grama (12 sotrokely) ny siramamy d hanina isan’andro. Siramamy no tena betsaka amin’ny sakafo sy zava-pisotro amboarin’ny olona. Ao anatin’ny zava-pisotro mamy antsasaky ny litatra latsaka kely (355 mililitatra), ohatra, dia mety hahatratra 50 grama (10 sotrokely) ny siramamy amin’ilay izy. Na be kalôria aza ny zava-pisotro mamy, dia kely ny otrikaina avy amin’izy ireny na tsy misy mihitsy.

 Milaza ny Baiboly hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.” (Ohabolana 22:3) Raha mitandrina tsara ny sakafo haninao ianao ary manitsy an’izay fahazarana tsy mety, dia asehonao hoe mankasitraka an’Andriamanitra ianao satria velona sy salama.

 Hevi-diso momba ny sakafo

 Hevi-diso: Rehefa matsiro ilay sakafo sady tsara ny paoziny sy ny fofony, dia azo antoka izy izay.

 Ny tena marina: Bakteria maherin’ny iray alina tapitrisa vao mahavita manova ny lokon’ny rano iray litatra. Bakteria 15 hatramin’ny 20 fotsiny anefa dia efa mety hankarary anao. Mba ho azo antoka tsara ny sakafonao sy ny zavatra sotroinao, dia araho tsara ny toromarika momba an’ilay izy rehefa mahandro, mihinana, na mitahiry azy ianao. Tafiditra amin’izany ny toromarika momba ny hafanana na ny daty farany azo ihinanana azy.

 Hevi-diso: Tsy mandoto sakafo izany ny lalitra.

 Ny tena marina: Zavatra maloto toy ny diky no ataon’ny lalitra sakafo ary amin’izy ireny koa izy no miteraka. Mikraoba an-tapitrisany àry matetika no eny amin’ny tongotr’izy ireny. Saròny tanteraka àry izay sakafo avy nokarakarainao, mba tsy handehanan’ny lalitra.

 Hevi-diso: “Efa nihinana sakafo tsy mahasalama foana aho hatramin’izay. Tsy hanova na inona na inona intsony raha izao aho vao miova.”

 Ny tena marina: Hitan’ny mpikaroka hoe tsy dia atahorana ho faty aloha loatra ianao, raha zatra mihinana sakafo mahasalama izao. Betsaka koa ny soa ho azonao arakaraka ny hihinananao sakafo mahasalama.

a Zavamananaina faran’izay bitika ny mikraoba ka tsy hitan’ny maso. Anisan’ny mikraoba, ohatra, ny bakteria sy ny virosy. Ilaina ny mikraoba sasany, fa misy kosa mety hankarary na hahafaty mihitsy.

b Manala mikraoba maro kokoa ny rano sy savony raha oharina amin’ny rano fotsiny.

c Mijanona ho ranoka fa tsy mandry ilay menaka, rehefa amin’ny hafanana antonony.

d Tafiditra amin’ny siramamy resahina eto ny siramamy efa namboarina, toy ny siramamy fampiasa ao an-tokantrano, na amin’ny tantely, na amin’ny ranom-boankazo. Tsy tafiditra amin’ilay izy kosa ny siramamy amin’ny voankazo, legioma, ary ronono.