Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maremagnum/Corbis Documentary via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Any Israely ve no Hanomboka ny Aramagedona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Any Israely ve no Hanomboka ny Aramagedona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Tsy ady ao amin’ny faritra iray eto an-tany fotsiny ny Aramagedona, raha ny Baiboly no jerena. Ady eran-tany kosa ilay izy, ary Andriamanitra sy ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra no hifanandrina amin’io.

  •   “Avy amin’ny demonia ireo fanambarana ireo ... sady mivoaka ho any amin’ny mpanjakan’ny tany manontolo, mba hanangonana an’ireny ho amin’ilay adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ... Nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.”​—Apokalypsy 16:14, 16.

 Avy amin’ny teny hebreo hoe Har Megiddôhn, midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”, ilay teny hoe “Aramagedona.” Tanàna iray tany Israely fahiny i Megido, dia izany no mahatonga ny olona sasany hieritreritra hoe any Israely no hitranga ny Aramagedona. Tsy ho antonona ny “mpanjakan’ny tany manontolo” sy ny tafik’izy ireo mihitsy anefa na ny faritr’i Megido na ny faritra hafa any Israely.

 “Famantarana” na teny an’ohatra no nampiasaina rehefa nosoratana ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 1:1) Tsy toerana ara-bakiteny ny Aramagedona fa zavatra hitranga maneran-tany. Amin’izay no hivondrona farany hanohitra ny fitondran’Andriamanitra ireo firenena.​—Apokalypsy 19:11-16, 19-21.