Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Lany Andro ve ny Fitsipik’Andriamanitra Momba ny Tsara sy ny Ratsy?

Efa Lany Andro ve ny Fitsipik’Andriamanitra Momba ny Tsara sy ny Ratsy?

 Betsaka no mihevitra hoe efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny firaisana sy ny fanambadiana. Na dia ny olona sasany milaza ho Kristianina aza dia mieritreritra hoatr’izany koa. Novan’ny fiangonana sasany àry ny zavatra ampianariny, mba hifanaraka amin’izay heverin’ny ankamaroan’ny olona amin’izao hoe tsara sy ratsy. Tsy lany andro mihitsy anefa ny fitsipiky ny Baiboly momba ny tsara sy ny ratsy. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity ny anton’izany.

Mila ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy ny olona

 Noforonina mba hiantehitra amin’Andriamanitra sy ny tari-dalany ny olona. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Na dia nataon’i Jehovah a Andriamanitra hahay hanapa-kevitra aza isika, dia tsy nomeny fahefana na fahaizana hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy. Tiany hiantehitra aminy mantsy isika.—Ohabolana 3:5.

 Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy. Tena mahasoa antsika ireny fitsipika ireny. Andao isika izao handinika antony roa.

  •   Andriamanitra no namorona antsika. (Salamo 100:3) I Jehovah Andriamanitra no namorona antsika, dia fantany tsara hoe inona no ilaintsika mba hahatonga antsika ho salama tsara, hilamin-tsaina ary ho sambatra. Hainy koa hoe raha tsy miraharaha ny tari-dalany isika, dia hizaka vokany ratsy. (Galatianina 6:7) Ankoatra izany, dia izay mahasoa antsika indrindra no atorony antsika. Izay no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe Andriamanitra no ‘Ilay mampianatra antsika mba hahitantsika soa, Ilay mampandeha antsika amin’ny lalana tokony halehantsika.’—Isaia 48:17.

  •   Mamitaka ny fo. Be dia be no mieritreritra hoe ho afaka hanavaka ny tsara sy ny ratsy ry zareo rehefa manao izay mahafalifaly ny fony, izany hoe manome fahafaham-po ny faniriany. Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Jeremia 17:9) Raha ny fontsika àry no avelantsika hibaiko antsika fa tsy ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mety hanao zavatra hanenenantsika isika.—Ohabolana 28:26; Mpitoriteny 10:2.

Mety ve raha tsy miraharaha izay lazain’ny Baiboly momba ny atao hoe tsara sy ratsy ny mpitondra fivavahana?

 Tsia! Resahina ao amin’ny Baiboly hoe inona no marina momba an’Andriamanitra ary inona no tian’Andriamanitra hataontsika. (1 Korintianina 6:9-11; Galatianina 5:19-23) Tiany hahafantatra an’izany fahamarinana izany ny olona. (1 Timoty 2:3, 4) Tokony hampianatra an’izay voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny mpitondra fivavahana.—Titosy 1:7-9.

 Betsaka ny olona tsy te hiraharaha ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy, dia aleony mankany amin’ny mpitondra fivavahana mampianatra izay “zavatra mahafinaritra ny sofiny” fotsiny. (2 Timoty 4:3) Mampitandrina antsika anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Lozan’izay milaza ny tsara hoe ratsy sy milaza ny ratsy hoe tsara!” (Isaia 5:20) Hita avy amin’izany fa hosazin’Andriamanitra ireny mpitondra fivavahana tsy mampianatra ny olona an’izay lazain’ny Baiboly hoe tsara sy ratsy ireny.

Mahatonga ny olona ho tery saina ve ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy?

 Tsia. Manahaka ny modely nomen’i Jesosy Kristy sy manaiky ny fampianarany izay te hampifaly an’Andriamanitra. Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba tsy hitsaratsara ny hafa, fa ho tia sy hanaja ny olona rehetra kosa.—Matio 5:43, 44; 7:1.

 Nampianarin’i Jesosy koa ny mpanara-dia azy mba hankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy. Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo koa anefa hoe manan-jo hifidy izay fitsipika tiany harahina ny olon-kafa. (Matio 10:14) Tsy navelan’i Jesosy hanao politika na hampiasa fomba hafa àry ny mpianany mba hanerena ny olona hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra.—Jaona 17:14, 16; 18:36.

Inona avy ny soa ho azontsika raha mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy isika?

 Handray soa be dia be isika dieny izao sy amin’ny hoavy, raha mankatò ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy. (Salamo 19:8, 11) Anisan’izany ireto:

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.