Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mivavaka Amin’ny Sary?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mivavaka Amin’ny Sary?

 Milaza ilay fikambanana mpanangom-baovao iray atao hoe Catholic News Service fa nandritra ny lamesa iray natao tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera tamin’ny 25 Martsa 2022, dia nitsangana teo anoloan’ny sarin’i Maria ny Papa François, “nikimpy ny masony, niondrika ny lohany, sady nanao vavaka mangina” izy. Nilaza koa ilay fikambanana hoe “nitalaho tamin’i Maria” izy mba hisian’ny fiadanana. Nanao tatitra koa ny gazety Vatican News fa “nivavaka ny Papa mba hatokana amin’ny Fo Madion’i Maria izao tontolo izao, indrindra fa i Rosia sy Ukraine.”

 Ahoana ny hevitrao? Mety ve ny mivavaka eo anatrehan’ny sary na mampiasa sary masina? Diniho ireto andinin-teny ao amin’ny Baiboly ireto:

  •   “Aza manao sary sokitra ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.”​—Eksodosy 20:4, 5. a

  •   “Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireo, sady asa tanan’olombelona. Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny; mana-maso, fa tsy mahita; manan-tsofina, fa tsy maheno; manana orona, fa tsy mandre fofona; manan-tanana, fa tsy mahatsapa; manan-tongotra, fa tsy mandeha; ary tsy mahavoaka feo ny tendany. Ho lasa hoatr’ireny ny olona manao azy, sy izay rehetra matoky azy.”​—Salamo 115:4-8.

  •   “Izaho no Jehovah. Izany no anarako. Tsy hozaraiko amin’iza na iza ny voninahitro, ary tsy homeko ho an’ny sary sokitra ny fiderana ahy.”​—Isaia 42:8, fanamarihana ambany pejy.

  •   “Andosiro ny fanompoan-tsampy, ry malala.”​—1 Korintianina 10:14.

  •   “Mitandrema amin’ny sampy.”​—1 Jaona 5:21.

 Raha te hahazo fanazavana fanampiny momba an’izay lazain’ny Baiboly mahakasika ny fampiasana sary ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Sary”, na jereo ilay video hoe Tian’Andriamanitra ve Raha Mampiasa Sary Isika Rehefa Mivavaka?

 Mety hahaliana anao koa izay lazain’ny Baiboly momba an’ireto foto-kevitra ireto:

Sary nahazoan-dalana: Vincenzo Pinto/AFP via Getty Images

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?