Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Narovana ny Zony Hanaraka ny Fivavahany any Amin’ny Foko Misy Azy

Narovana ny Zony Hanaraka ny Fivavahany any Amin’ny Foko Misy Azy

1 MEY 2021

 An-jatony tapitrisa ny olona mipetraka any Amerika Latinina, ary an-tapitrisany amin’izy ireo no manana ny fiteniny manokana sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny foko misy azy. Misy rahalahy sy anabavintsika be dia be any amin’ireny foko ireny, ary sarobidy amin-dry zareo ny kolontsainy. Tian’izy ireo hahalala ny marina ao amin’ny Baiboly ny olona, dia adikany amin’ny fiteny 130 mahery any Amerika Latinina a ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah sady zarainy amin’ny olona. Miatrika fanoherana anefa ny sasany amin’izy ireo noho izy mifidy ny hanompo an’i Jehovah sy tsy mety mandray anjara amin’ny fombafomba tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Ahoana no nampiasana ny fanomezana nataonareo mba hanampiana azy ireo?

Nampiana mba ho tafaverina any an-tanànany

 Misy an’ilay foko atao hoe Huichol any amin’ny tendrombohitr’i Jalisco, any Meksika. b Tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba ara-pivavahana ny rahalahy sy anabavintsika tao amin’io foko io, satria hitany hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ilay izy. Na dia feno fanajana aza ry zareo rehefa nanao an’izany, dia tezitra be ny olona sasany tao amin’ilay foko. Notafihin’ny andian’olona mahery setra ny Vavolombelona maromaro sy ny olon-kafa niaraka tamin-dry zareo, tamin’ny 4 Desambra 2017. Noroahin’ireo andian’olona ireo hiala tao an-tanàna ry zareo, nopotehiny ny fananany, ary norahonany hoe hovonoina izay mitady hiverina hody.

 Nikarakara an’izay tena nilain’ireo rahalahy sy anabavintsika ireo ny Vavolombelona teny amin’ny tanàna manodidina. Ahoana anefa no hatao mba ho tafaverina any an-tanànany indray ry zareo? Hoy ny rahalahy iray atao hoe Agustín: “Tsy nanam-bola hanakaramana mpisolovava izahay. Tsy hainay koa hoe iza no mba olona mahay lalàna azonay akana torohevitra.”

 Ny zon’ireo rahalahintsika hanaraka ny fivavahany mihitsy no voatohintohina, ka tonga dia nanao zavatra ny sampan’i Amerika Afovoany. Nasain-dry zareo nanadihady momba an’ilay raharaha aloha ny manam-pahefana tany an-toerana. Nahazo alalana avy amin’ny Komitin’ny Mpandrindra ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ry zareo avy eo hoe afaka miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna any amin’ny foibe, dia misolo tena an’ireo rahalahy sy anabavy huichol mba hametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana. Tafakatra tany amin’ny Fitsarana Tampony any Meksika ilay raharaha, tamin’ny farany.

 Nisy ekipana mpisolovava iraisam-pirenena nanomana fiarovan-tena mazava tsara. Nohazavain’izy ireo hoe ny olon-kafa aza tsy maintsy manaja ny kolontsain’ireo foko samihafa, dia ireo foko ireo indray ve no tsy hanaja sy hiaro ny zon’ny olona tsirairay eo anivony? Manana ny zony daholo ny olombelona rehetra na aiza na aiza toerana misy azy.

 Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny tao amin’ny Fitsarana Tampony, tamin’ny 8 Jolay 2020. Namoaka didy izy ireo hoe tokony havela hody any an-tanànany daholo izay olona noroahina. Nilaza ny fihetseham-po tsapan’izy sy ny namany i Agustín, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Faly be izahay sady tena mankasitraka ny zavatra nataon’ireo rahalahy ho anay. Tsy nisy na inona na inona vitanay teo raha tsy nanampy ry zareo.”

“Manao zavatra ngezabe ho an’olona vitsy kely”

 Tratran’ny fanoherana hoatr’izany koa ny mpiara-manompo amintsika any San Juan de Ilumán, tanàna kely iray any Ekoatera. Olona avy amin’ny foko anankiray any amin’ny Lohasahan’i Otavalo no tena betsaka ao. Nanomboka nanorina Efitrano Fanjakana ireo rahalahy tamin’ny 2014, rehefa nahazo ny fahazoan-dalana rehetra. Nitarika olona 100 mahery anefa ny mpitondra fivavahana iray, dia nanery an’ireo rahalahy hanajanona an’ilay fanorenana. Tsy navelan’ny olona tao an-tanàna hiara-mivory intsony koa ny Vavolombelon’i Jehovah.

 Niara-niasa mba hiaro an’ilay fiangonana ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna tao amin’ny sampan’i Ekoatera sy tany amin’ny foibe, satria voahitsakitsaka ny zon’izy ireo hanaraka ny fivavahany. Nampakarina fitsarana ilay raharaha. Tsy sahy nanohitra an’ireo mpiara-manompo amintsika intsony avy eo ny olona tao an-tanàna, fa namela azy ireo hivory indray sy hamita an’ilay Efitrano Fanjakana. Mba hitsinjovana ny any aoriana anefa, dia nangataka tamin’ny fitsarana ambony kokoa ireo mpisolovava mba hamoaka didy mifandray amin’ity olana lehibe iray ity: Tokony hanaja ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ve ny foko rehetra?

 Nihaino an’ilay raharaha ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, tamin’ny 16 Jolay 2020. Io no fitsarana ambony indrindra any Ekoatera. Rahalahy vitsivitsy mpisolovava any Ekoatera no nisolo tena ny fiangonana. Nisy rahalahy mpisolovava iraisam-pirenena efa za-draharaha koa nanatrika teo, ary nandray fitenenana ny efatra tamin-dry zareo. Noho ny fameperana vokatry ny COVID-19, dia avy any amin’ny taniny izy ireo no niteny tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Sambany tamin’izay vao nisy fitsarana namela mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany hilaza ny fiarovan-tenany tamin’io fomba io. c Nitanisa didim-pitsarana iraisam-pirenena maromaro ilay ekipana mpisolovava mba hanamafisana fa tsy hoe lasa very zo akory ny olona iray satria fotsiny hoe anisan’ny foko iray izy.

Nampiasa vidéoconférence ilay ekipana mpisolovava iraisam-pirenena mba hiarovana ny zon’ireo rahalahintsika

 Efa tsy andrin’ireo mpiara-manompo amintsika any amin’ny Lohasahan’i Otavalo ny valin’ilay fitsarana. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tena nanohina ny fon-dry zareo ny fanampiana azony. Izao no nolazain’i César, anti-panahy iray ao amin’ny fiangonana quechua any Ilumán: “I Jehovah ihany no mahavita an’izany hoe manao zavatra ngezabe ho an’olona vitsy kely izany, amin’ny alalan’ny fandaminany.”

 Vavolombelon’i Jehovah daholo ny mpisolovava nikarakara an’ilay raharaha, ary faly izy ireo nizara maimaim-poana ny fahaizany. Na izany aza, dia nitaky fotoana sy vola ihany ny nampakatra fitsarana an’ireny raharaha ireny sy niomana tamin’ilay izy ary niady an’ilay izy teny amin’ny fitsarana. Tamin’ilay raharaha tany Meksika, dia 380 ora mahery no lanin’ny mpisolovavantsika sy ny rahalahy hafa mba hanomanana fiarovan-tena, ary 240 ora fanampiny mba handikana antontan-taratasy. Mpisolovava efa ho 40 avy any amin’ny tany samihafa no nikarakara an’ilay raharaha tany Ekoatera, ary an-jatony ny ora lanin’izy ireo tamin’izany. Ahoana no nisahanana ny lany tamin’ireny fiarovana ny rahalahy sy anabavintsika ireny? Tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo nataonareo tamin’ireo fomba samihafa atoro ao amin’ny donate.isa4310.com. Misaotra fa tena malala-tanana ianareo.

a Mandika boky sy gazety amin’ny fiteny maro hafa any Amerika Latinina koa ny Vavolombelon’i Jehovah, sady mandika amin’ny tenin’ny tanana maromaro izay tsy hita afa-tsy ao amin’ilay faritra.

b Antsoina hoe Wixáritari koa ny Huichol, ary wixárika matetika no ilazana ny fitenin-drazan-dry zareo.

c Na dia tsy tafiditra tamin’ilay raharaha aza ny fandaminantsika eran-tany, dia navelan’ireo mpitsara hiseho teo anatrehan’ny fitsarana amin’ny maha amicus curiae, na hoe “naman’ny fitsarana”, ireo rahalahintsika.