Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Hikojakojana Efitrano Fanjakana

Hikojakojana Efitrano Fanjakana

1 APRILY 2024

 Izao no nolazain’i Nicole, anabavy tanora any Kolombia: “Tiako be ny Efitrano Fanjakananay satria any aho no tafaraka amin’ny fianakaviako ara-panahy.” Mitovy hevitra amin’i Nicole ve ianao?

 Manana Efitrano Fanjakana 63 000 eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mba hivoriana. Mety tsara mba hivavahana amin’Andriamanitra ireny trano ireny. Misy tombony hafa koa ny hoe manana Efitrano Fanjakana. Hoy ny mpisava lalana maharitra iray any Kolombia, atao hoe David: “Hoatran’ny hoe mandravaka ny fampianarantsika ny Efitrano Fanjakana, satria vao mainka mahasarika ny olona ny zavatra ampianarintsika rehefa mahita efitrano ry zareo. Be dia be ny olona gaga hoe voatazontsika ho tsara tarehy foana ilay trano.” Tsy mandeha ho azy izany fa miezaka mafy manadio sy mikojakoja ny Efitrano Fanjakanantsika isika. Ahoana no ahavitantsika an’izany?

Ahoana no andaminana an’ilay fikojakojana?

 Anjaran’izay fiangonana mivory ao amin’ilay Efitrano Fanjakana ny mikojakoja an’ilay izy. Izay no mahatonga ny rahalahy sy anabavy hanadio foana ny efitranon-dry zareo. Kojakojainy foana koa ilay izy mba tsy ho simba, dia amboariny izay zavatra madinidinika simba.

 Manendry rahalahy hampiofana amin’ny resaka fikojakojana ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana (SFA), mba hanampiana ny fiangonana hikojakoja ny Efitrano Fanjakanany. Efitrano enina ka hatramin’ny folo no iandraiketan’ny mpampiofana iray. Mankany amin’ilay efitrano izy, dia manoro an’ireo rahalahy sy anabavy ao hoe ahoana no hikojakojana an’ilay izy. Mijery ny efitrano tsirairay izy isaky ny telo taona, dia mamantatra sao misy zavatra mampidi-doza ao na mila amboarina.

Manoro antsika ny mpampiofana amin’ny fikojakojana hoe ahoana no hatao mba ho voakojakoja tsara foana ny Efitrano Fanjakana

 Faly ny rahalahy sy anabavy hoe misy mampiofana mba hahay hikojakoja efitrano. Hoy i Indhumathi, anabavy any Inde: “Tsara be ilay fampiofanana. Nahafinaritra ilay nianatra hoe ahoana no hatao mba ho voakojakoja tsara foana ny efitrano.” Izao no noresahin’i Evans, rahalahy any Kenya: “Nianaranay hoe vao simba kely ny zavatra iray dia efa tokony hamboarina, satria raha andrasana simba be ilay izy, dia lasa handany vola be.”

Avy aiza ny vola hikojakojana efitrano?

 An-jatony hatramin’ny an’arivony dolara a ny vola lany isan-taona amin’ny fampiasana efitrano iray sy ny fikojakojana azy, arakaraka ny toerana misy azy sy ny taona nanorenana azy ary ny isan’ny fiangonana mampiasa azy. Avy aiza ilay vola?

 Vola fanomezana no isahanana ny fikojakojana Efitrano Fanjakana. Izao no tenin’i Alexander, rahalahy any Kazakhstan: “Ny vola sasany handoavana Internet sy izay zavatra hafa ilaina, ohatra hoe jiro sy rano, taratasy fitondra any an-kabine, gan-tanana, fitaovana fanadiovana, na loko.” Ny ambin’ilay vola indray alefa hanohanana ny asa ataontsika maneran-tany. Ampiasaina hanaovana asa fikojakojana ngeza kokoa sy lafo kokoa ilay izy.

Asa fikojakojana ngeza kokoa

 Raha misy zavatra mila amboarina ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, nefa mihoatra noho ny fandanian’ilay fiangonana ao anatin’ny telo volana ny vola ho lany amin’ilay izy, dia miresaka amin’ilay mpampiofana amin’ny fikojakojana notendren’ny SFA ny anti-panahy. Raha eken’ny SFA hoe mila amboarina tokoa ilay zavatra simba, dia avy amin’ilay vola natao hanohanana ny asa maneran-tany no alaina ny vola hanamboarana an’ilay izy. Nahatratra 8 793 ny asa fikojakojana ngeza kokoa natao tamin’ny taom-panompoana 2023. Vola 76,6 tapitrisa dolara no lany tamin’izany. Diniho, ohatra, ireto fikojakojana natao tany amin’ny tany roa samy hafa ireto:

 Efa 15 taona ny Efitrano Fanjakana iray any Angola, dia lasa maromaro ny zavatra nila namboarina tao amin’ilay izy. Efa tena nila nohavaozina tanteraka ny resaka elektrisite. Feno triatra koa ny rindrina. Nitaraina koa ny manodidina hoe misy rano avy ao amin’ilay efitrano, hono, tonga hatrany an-tranony rehefa avy ny orana. Nanapa-kevitra àry ny SFA hoe hamaha an’ireo olana ireo. Nahatratra 9 285 dolara ny vola lany tamin’izany. Nisaotsaotra an-dry zareo ny mpiara-monina sady variana hoe hafa mihitsy ny fomba fiasantsika.

Efitrano Fanjakana nohavaozina any Angola

 Nitete ny tafon’ny Efitrano Fanjakana iray any Polonina. Efa simba be koa ny môkety, dia tsy azo natao na inona na inona intsony. Nanapa-kevitra àry ny SFA hoe hamboarina ilay tafo sady hotampenana. Hosoloana koa ny môkety. Nahatratra 9 757 dolara ny vola lany tamin’izany. Tsy hila fanamboarana be intsony io Efitrano Fanjakana io, raha tsy afaka taona maromaro any indray.

Manavao Efitrano Fanjakana any Polonina

Mahazo voninahitra i Jehovah

 Raha voakojakoja foana ny Efitrano Fanjakana, dia tsy mandany vola be loatra, dia mba voatsitsy ny vola omen’ny rahalahy sy anabavy. Tsy izay ihany anefa fa mahazo voninahitra koa i Jehovah. Hoy i Shaun, rahalahy any Tonga: “Mivavaka sy manompo an’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakana madio sy milamina ary azo ampiasaina tsara isika, satria voakojakoja tsara ilay izy. Lasa mahazo voninahitra amin’ny olona eny amin’ny manodidina ny anaran’i Jehovah vokatr’izany. Lasa tsy menamenatra koa isika manasa olona hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana.”

Ento ny anjara birikinao

 Samy afaka mitondra ny anjara birikintsika daholo isika, izany hoe manampy manadio sy mikojakoja ny toerana ivavahantsika amin’i Jehovah. Izao no nolazain’i Marino, mpampiofana amin’ny fikojakojana any Aostralia: “Tombontsoa be tsisy hoatr’izany ilay hoe mikojakoja Efitrano Fanjakana, dia samy afaka mandray anjara amin’ilay izy daholo isika. Raha manao an’izany isika, dia tena hihena be mihitsy ny vola lany amin’ny fikojakojana. Amin’izay koa mba azo ampiasaina amin’ny zavatra hafa tena ilana azy ny vola omen’ny mpiara-manompo.”

 Tia mikojakoja ny efitranon-dry zareo i Joel, rahalahy any Inde. Hoy izy: “Hoatran’ny azoko sary an-tsaina sahady izany hoe any amin’ny tontolo vaovao izany rehefa miara-miasa amin’ny rahalahy sy anabaviko aho.” Izao koa no tenin’i Nicole, ilay efa voaresaka terỳ aloha: “Nisy rano nitete tao an-kabine, indray mandeha, dia nanampy namafa an’ilay izy aho, fa ny ranadahy tao aminay no nanamboatra an’ilay zavatra nitete. Marina hoe tsy izaho no nanamboatra an’ilay simba, fa faly aho hoe efa nanao zavatra mba hisorohana loza.”

 Miresaha amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo raha te handray anjara amin’ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakananareo ianao. Afaka manao fanomezana koa ianao satria ilaina hikojakojana an’ilay efitranonareo izany. Tsy ny anareo ihany anefa fa ny an’ny fiangonana hafa maneran-tany koa. Azonao arotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana ao amin’ny efitrano izany na alefa ao amin’ny donate.isa4310.com. Misaotra betsaka fa tena tia manome ianao.

Samy afaka mandray anjara amin’ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakanantsika daholo isika

a Dolara amerikanina ny dolara rehetra resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.