Hijery ny anatiny

Ny Tilikambo Fiambenana—Gazety Tsy Mena-mitaha

Ny Tilikambo Fiambenana—Gazety Tsy Mena-mitaha

Ny Tilikambo Fiambenana no gazety miparitaka indrindra eran-tany. Maherin’ny 42 tapitrisa amin’izy io no atao pirinty isaky ny laharana mivoaka. Ny Mifohaza! no manarakaraka azy satria 41 tapitrisa no indray mivoaka. Samy avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo gazety roa ireo, ary zaraina any amin’ny tany 236.

Ahoana ny amin’ny gazety hafa? Milaza ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety fa ny AARP no mamoaka ny gazety be mpividy indrindra any Etazonia, ary natao ho an’ny olona 50 taona mahery izy io. Maherin’ny 22 400000 amin’izy io no indray mivoaka. Ny an’ilay gazetiboky hoe ADAC Motorwelt any Alemaina kosa, 14 tapitrisa latsaka, ary ny an’ilay gazetiboky hoe Gushi Hui (tantara) any Chine, 5400000.

Ny gazety Yomiuri Shimbun any Japon kosa no mitana ny laharana voalohany, amin’ny gazety mpivoaka isan’andro. Folo tapitrisa mahery foana no isan’ny indray mivoaka.

Ny gazetin’ny Vavolombelona koa no mivoaka amin’ny fiteny be indrindra. Adika amin’ny fiteny 190 mahery Ny Tilikambo Fiambenana, ary amin’ny fiteny 80 mahery ny Mifohaza! Ny gazety Reader’s Digest kosa mivoaka amin’ny fiteny 21, ary tsy mitovy ny zavatra raketin’ireo gazety fa miovaova arakaraka ny firenena.

Tsy mitovy amin’ireo gazety tononina ato koa Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! fa tohanana amin’ny fanomezana an-tsitrapo, tsy anaovana dokam-barotra, ary tsy amidy.

Ny tanjon’ny Tilikambo Fiambenana dia ny hanazava ny fampianaran’ny Baiboly, indrindra fa izay lazain’ny Soratra Masina momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mivoaka tsy tapaka io gazety io, nanomboka tamin’ny 1879. Miresaka zavatra samihafa kosa ny Mifohaza!, ohatra hoe momba ny zavaboary sy ny siansa, mba hanampiana ny olona hino ny Mpamorona. Asehony koa hoe azo ampiharina tsara eo amin’ny fiainana izay lazain’ny Baiboly.