Hijery ny anatiny

Fandikan-teny Tsy Mila Soratana

Fandikan-teny Tsy Mila Soratana

Mandika boky ara-baiboly avy amin’ny teny anglisy ho amin’ny fiteny 900 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mora ny mandika teny ho amin’ny fiteny hafa, nefa vao mainka sarotra kokoa ilay izy rehefa adika ho amin’ny tenin’ny tanana. Maro amin’ny marenina no mampiasa ny tanany sy ny endriny rehefa mifampiresaka. Tsy maintsy mamadika ny teny ho lasa video àry ny mpandika teny. Efa nandika boky sy zavatra hafa ho amin’ny tenin’ny tanana maherin’ny 90 izao ny Vavolombelon’i Jehovah.

Iza no mpandika teny?

Toy ny mpandika teny rehetra ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mahay tsara an’ilay fiteny adikany izay mandika ho amin’ny tenin’ny tanana. Betsaka amin’izy ireo no marenina ary efa nampiasa tenin’ny tanana hatramin’ny mbola kely. Mandre kosa ny sasany fa lehibe tao anatin’ny fianakaviana misy marenina. Tena tia mianatra Baiboly koa ireo mpandika teny ireo.

Ampiofanina tsara ny mpandika teny vaovao rehetra. Nilaza toy izao, ohatra, i Andrew: “Nianatra tany amin’ny sekolin’ny marenina aho hatramin’ny mbola kely. Rehefa niofana ho mpandika teny anefa aho vao tena nahazo tsara ny fitsipi-pitenenana ampiasain’ny tenin’ny tanana. Natoron’ireo mpandika teny hafa koa hoe ahoana no hanatsarana ny fihetsehan’ny tanana sy ny vatana ary ny paozin’ny endrika mba ho marina tsara ny fomba hamoahana hevitra.”

Fandikan-teny avo lenta

Mpandika teny vitsivitsy no miara-miasa. Samy manana ny andraikiny ny tsirairay aminy: Misy mandika, misy manamarina, ary misy mitsara an’izay asa vita. Asaina jeren’ny marenina avy any amin’ny toerana samihafa sy manana fari-pahaizana samihafa ilay izy, raha azo atao. Ilaina mba hanatsarana ny fandikan-teny ny fanamarihana rehetra omen’izy ireo. Ho azo antoka tsara, amin’izay, fa tsotra ilay tenin’ny tanana ampiasaina ary mazava sy marina tsara ny hevitra ao amin’ilay video.

Mpandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana failandey, miresaka momba ny lahatsoratra hadikany

Matetika ny mpandika teny no mivory any amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana sy mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona marenina tsy Vavolombelon’i Jehovah. Izany no ahafahan’ny mpandika teny maharaka tsara ny fivoaran’ilay fiteny.

Mpandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana brezilianina, maka video ny fandikan-teny andrana ataony

Nahoana no miezaka be toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah?

Milaza ny Baiboly fa hanaiky ny hafatra mampahery sy manome fanantenana raketiny ny olona sasany avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apokalypsy 7:9) Mazava ho azy fa tafiditra amin’izany ireo mampiasa tenin’ny tanana.

Faly ireo mpandika teny fa mampiasa ny fotoanany sy ny fahaizany mba hanaovana an’izany asa tena ilaina izany. Hoy i Tony, mpandika teny: “Fantatro tsara ny olana sedrain’ireo marenina satria marenina koa aho. Efa hatramin’izay aho no te hanampy marenina betsaka araka izay azo atao mba hahafahako miresaka aminy momba ny fampanantenan’ny Baiboly.”

Hoy i Amanda, izay mpandika teny koa: “Tsapako hoe misy dikany kokoa izao ny zavatra ataoko raha oharina amin’ny asako taloha, satria mandika boky sy zavatra hafa ara-baiboly ho an’ny marenina.”

Fomba hahitana video amin’ny tenin’ny tanana

Atoro anao ny dingana rehetra arahina, ao amin’ilay hoe “Hikaroka Zavatra Amin’ny Tenin’ny Tanana”, ao amin’ny jw.org, raha te hijery video amin’ny tenin’ny tanana ianao.