Hijery ny anatiny

Manampy sy Mampahery An’ireo Marary any Amin’ny Hopitaly Izy Ireo

Manampy sy Mampahery An’ireo Marary any Amin’ny Hopitaly Izy Ireo

Mora miady saina ny olona anankiray rehefa marary mafy. Vao mainka aza izy mitebiteby be, raha ohatra ka mila ampidirana hopitaly. Hoy ny gazety iray ho an’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy: “Hita tamin’ny fanadihadiana fa tena mihatsara ny fahasalaman’ny marary, raha misy olona mampahery azy avy ao amin’ny Baiboly sy mihevitra ny fihetseham-pony.” a

Rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah miditra hopitaly àry, dia miezaka manampy sy mampahery azy ireo avy ao amin’ny Baiboly ny mpiara-mivavaka aminy. Ny anti-panahy izao miezaka mandeha mitsidika an’izay marary miditra hopitaly ao amin’ny fiangonana misy azy. Fa ahoana indray raha misy Vavolombelona miditra hopitaly nefa lavitra be amin’ny misy azy ilay hopitaly idirany? Nanangana Antokona Mpamangy Marary (AMM) ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tanàn-dehibe maneran-tany. Rehefa misy Vavolombelona avy any amin’ny faritra hafa, na avy any amin’ny firenena hafa miditra hopitaly, dia ny anti-panahy anisan’io AMM io no mitsidika matetika azy ireo sy ny fianakaviany. Misy mpiasa an-tsitrapo 28 000 mahery ao anatin’ny AMM 1 900 eo ho eo, ary miparitaka any amin’ny kontinanta dimy izy ireo. b

Ahoana no ataon’ny AMM rehefa mampahery ny marary?

Hoy i William, anisan’ny AMM: “Afaka nampahery Vavolombelon’i Jehovah maromaro sy ny fianakaviany tsy Vavolombelona aho rehefa niresadresaka tamin-dry zareo sady nihaino azy. Nomeko toky ry zareo hoe hitan’i Jehovah ny zavatra mahazo an-dry zareo ary vonona hikarakara azy ireo izy. Faly koa ireo marary sy ny fianakaviany rehefa nivavaka ho an-dry zareo aho.”

Be dia be no nisaotra rehefa nampaherezin’ireny AMM ireny. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny zavatra nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia. Misy 7 000 eo ho eo ireo anisan’ny AMM any.

  • Hoy i Priscilla: “Misaotra betsaka nitsidika an’i Dada tany amin’ny hopitaly, tamin’izy tapaka lalan-dra. Tena nanohina ny fony ilay izy. Faly be izy hoe nisy an’io fandaharana io. Hitako hoe tena nanampy an’azy ho sitrana haingana ilay notsidihinareo.”

  • Narary tany amin’ny hopitaly ny renin’i Ophilia, ary maty avy eo. Hoy izy tamin’ny AMM: “Tena nisy vokany tamin’i Neny ilay ianareo nitsidika azy. Fantany hoe i Jehovah no naniraka anareo. Misaotra betsaka fa be fitiavana ianareo sady tia miahy ny hafa.”

  • Rehefa fantatry ny marary anankiray hoe andro vitsivitsy sisa dia ho faty izy, dia tena kivy izy sady niady saina. Nanokana fotoana hiarahana taminy i James, anisan’ny AMM, sady nampahery azy. Novakiny taminy ny Filipianina 4:6, 7. Hoy i James: “Rehefa tonga namangy azy aho ny ampitson’iny, dia niova be mihitsy izy. Na dia teo aza ilay aretiny, dia fantany hoe nanampy azy i Jehovah. Izy indray aza no nampahery ahy!”

Ahoana no ataon’ny AMM rehefa manampy ny marary?

Maty tany amin’ny hopitaly ny vadin’i Pauline, dia izao no nosoratany: “Misaotra betsaka nanampy anay, tamin’ireny fotoana nangidy indrindra taminay mianakavy ireny. Tena nampahery anay ilay ianareo namangy anay ka hatramin’ny misasaka alina, na dia tsy maintsy mbola nandeha niasa aza ianareo ny ampitson’iny. Misaotra betsaka koa nikarakara ny toerana natorianay 11, sady niaraka taminay foana hatramin’ny farany. Tena misaotra an’i Jehovah sy ny fandaminany aho nanampy sy nampahery anay.”

Tratran’ny lozam-piarakodia i Nicki sy Gayle ary Robin. Tany ho any amin’ny 300 kilaometatra miala eo amin’ny tanànan-dry zareo ilay izy no nitranga. Rehefa henon’i Carlos, anisan’ny AMM ilay izy, dia tonga izy dia niandry an-dry zareo tany amin’ny hopitaly. Hoy i Carlos: “Nanontaniako an-dry zareo daholo hoe inona avy no ilainy. Niandry ny alikakelin’i Nicki mihitsy aza aho amin’izay izy mba ho voatsabo tsara.” Tonga koa avy eo i Curtis sy ny vadiny. Anisan’ny AMM i Curtis. Nijanona tany amin’ny hopitaly foana ry zareo mandra-pahatongan’ny fianakavian-dry Nicki, ora maromaro tatỳ aoriana. Nisy lehilahy iray naman’ny fianakaviana nilaza hoe: “Samy faly daholo izy telo vavy satria nisy nanampy. I Robin, zandrin’i Nicki vavy sady tsy Vavolombelon’i Jehovah anefa no tena gaga tamin’ny fanampiana rehetra nataon’ny AMM.”

a “Addressing Patients’ Emotional and Spiritual Needs,” navoakan’ny gazety The Joint Commission Journal on Quality and Patient Safety, tamin’ny Desambra 2003, No. 12, Pejy 661.

b Mitovy amin’ny anti-panahy rehetra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ny anti-panahy anisan’ny AMM, satria mikarakara ny ondry koa izy ireo, mampianatra, ary mitory. Tsy karamaina izy ireo rehefa manao an’izany fa an-tsitrapo tanteraka.—1 Petera 5:2.