Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Nahita An’ilay ‘Perla Sarobidy’ Izy Ireo

Nahita An’ilay ‘Perla Sarobidy’ Izy Ireo

 Nampianatra i Jesosy fa hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:10) Nilaza an’ireto fanoharana roa ireto izy ao amin’ny Matio 13:44-46, mba hampisehoana hoe sarobidy ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra:

  •   Lehilahy iray niasa tany an-tsaha, dia tsy nampoiziny fa nahita harena nafenina izy.

  •   Mpivaro-mandeha iray nitady perla faran’izay tsara, dia nahita perla iray sarobidy.

 Faly izy roa lahy, dia samy nivarotra izay rehetra nananany mba hahazoana an’ilay harena sarobidy hitany. Mampiseho an’ireo olona mihevitra an’ilay Fanjakana ho sarobidy ireo lehilahy ireo. Manao sorona be izy ireo mba hahazoana ny fitahiana hoentin’izy io. (Lioka 18:29, 30) Ho hitanao amin’ity video ity ny tantaran’olona roa nanao hoatran’ireo lehilahy ao amin’ny fanoharan’i Jesosy.