Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Vasichkin, Sergey Galyamin, Anatoliy Lyamo, ary Vladimir Spivak

30 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 6 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Tsapan’ny Rahalahintsika any Teykovo fa Manohana Azy Ireo i Jehovah

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Tsapan’ny Rahalahintsika any Teykovo fa Manohana Azy Ireo i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Teykovskiy, any amin’ny Faritr’i Ivanovo, ny Rahalahy Sergey Galyamin, Anatoliy Lyamo, Vladimir Spivak, ary Aleksandr Vasichkin, tamin’ny 29 Febroary 2024. Samy nasaina nandoa lamandy ireo rahalahy ireo. Mitentina 600 000 roubles (6 564 dolara amerikanina) ny lamandy nasaina naloan’i Vladimir, 650 000 roubles (7 111 dolara amerikanina) ny an’i Sergey, ary 1 100 000 roubles (12 034 dolara amerikanina) avy ny an’i Aleksandr sy Anatoliy.

Ireo voampanga

Fantatsika fa na inona na inona fitsapana atrehintsika eto amin’izao tontolo izao, dia mandalo ihany ireny raha oharina amin’ny fitahiana mandrakizay omanin’i Jehovah ho an’ny mpanompony tsy mivadika.​—2 Korintianina 4:17, 18.

Zava-nitranga

  1. 10 Aprily 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 11 Aprily 2020

    Nosavana ny tranon’izy ireo

  3. 16 Aprily 2020

    Tsy navela hanao dia lavitra

  4. 2 Febroary 2023

    Nanomboka ny fitsarana