Hijery ny anatiny

Ranabavy Nataliya Voropaeva

22 MEY 2023
ROSIA

“Ny Tahotra Aloha Tsy Maintsy Misy, fa Afaka ny ho Be Herim-po Ianao”

“Ny Tahotra Aloha Tsy Maintsy Misy, fa Afaka ny ho Be Herim-po Ianao”

Namoaka didim-pitsarana momba ny Ranabavy Nataliya Voropaeva ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhny, any Krasnoïarsk, tamin’ny 24 Martsa 2023. Tsy maintsy mandoa onitra 360 000 roubles (21 384 330 ariary) izy.

Ilay voampanga

“Ho be herim-po” hoatran’i Nataliya foana koa isika, ka hilaza hoe: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”​—Hebreo 13:6.

Zava-nitranga

  1. Novambra 2017–Novambra 2020

    Narahin’ny polisy maso, dia nosavana ny tranony. Nalaina am-bavany nandritra ny famotorana momba ny Rahalahy Andrey Stupnikov

  2. 5 Septambra 2022

    Nanomboka ny famotopotorana momba azy

  3. 6 Septambra 2022

    Tsy navela nanao dia lavitra

  4. 20 Oktobra 2022

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava

  5. 27 Febroary 2023

    Nanomboka notsaraina

  6. 24 Martsa 2023

    Nasaina nandoa onitra 360 000 roubles (21 384 330 ariary)