9 NOVAMBRA 2022
ROSIA
Migadra Enin-taona ny Rahalahy Andrey Danielyan
Nomelohin’ny Fitsaran’i Rubtsovskiy, any amin’ny Faritanin’i Altaï, ny Rahalahy Andrey Danielyan, tamin’ny 7 Novambra 2022, ka nosaziny enin-taona any am-ponja. Tonga dia nogadraina teo no ho eo izy.
Zava-nitranga
25 Mey 2021
Nanomboka ilay raharaha, rehefa avy narahi-maso an-tsokosoko amam-bolana ny zavatra nataon’i Andrey
26 Mey 2021
Nosavana ny tranony. Voatana i Andrey sy ny vadiny dia natao famotorana. Tsy navela hiala tao amin’ny faritra nisy azy i Andrey
13 Jolay 2022
Voaheloka tamin’ny fomba ofisialy satria hoe nandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza
5 Septambra 2022
Nanomboka ny fitsarana
7 Novambra 2022
Voaheloka higadra enin-taona
Ilay voampanga
Mahafinaritra erỳ fa tena ohatra tsara i Andrey sy ny rahalahy sy anabavy be dia be hafa, satria tapa-kevitra ny hahafoy tena ho an’Andriamanitra ry zareo, sady mibanjina an’ilay ‘fiainana ho avy, araka ny efa nampanantenaina.’—1 Timoty 4:8.
a Afaka niresaka tamin’ny Rahalahy Danielyan izahay taloha kelin’ny nanamelohana azy.