Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ranabavy Yekaterina Olshevskaya, Kristina Golik, Valentina Yermilova, ary Mariya Myasnikova

9 FEBROARY 2024
ROSIA

Be Herim-po sy Matoky An’i Jehovah ry Zareo

Be Herim-po sy Matoky An’i Jehovah ry Zareo

Tsy ho ela ny Fitsaran’i Blagovechtchensk, any amin’ny Faritr’i Amour, dia hamoaka ny didim-pitsarana momba ny Ranabavy Kristina Golik, Yekaterina Olshevskaya, Mariya Myasnikova, ary Valentina Yermilova. Mbola tsy nilaza ny sazy homena azy ireo ny mpampanoa lalàna.

Ireo voampanga

Mankasitraka ny modely omen’ireo anabavy ireo isika. Miantehitra amin’i Jehovah mantsy ry zareo. Matoky isika fa hikarakara sy tena hitahy an-dry zareo foana izy.​—Salamo 27:3.

Zava-nitranga

  1. 20 Jolay 2018

    Nosavana ny tranony

  2. 22 Jolay 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy efatra mirahavavy

  3. 27 Jolay 2021

    Noferana ny toerana azon’i Kristina sy Mariya aleha

  4. 3 Aogositra 2021

    Noferana ny toerana azon’i Yekaterina aleha

  5. 4 Aogositra 2021

    Noferana ny toerana azon’i Valentina aleha

  6. 26 Mey 2023

    Nanomboka ny fitsarana an-dry zareo