Hijery ny anatiny

Trano lehibe fivarotana simba ao amin’ny tanànan’i General Santos, any Philippines

23 NOVAMBRA 2023
PHILIPPINES

Nisy Horohoron-tany Nahery Vaika Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Philippines

Nisy Horohoron-tany Nahery Vaika Tany Amin’ny Faritra Atsimon’i Philippines

Nisy horohoron-tany nirefy 6,7 amin’ny maridrefy Richter namely ny faritra atsimon’i Philippines, tamin’ny 17 Novambra 2023. Tany amin’ny 26 kilaometatra teo ho eo tany atsimon’ny Nosy Mindanao ilay izy no nitranga. Be dia be ny trano simba tany amin’ny faritr’i Davao sy tao amin’ny tanànan’i General Santos, ary tany amin’ny faritanin’i Sarangani. Simba, ohatra, ny tranom-panjakana, sekoly, trano lehibe fivarotana ary tranon’olona maro hafa.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mampalahelo fa nisy anabavy 1 maty

  • Rahalahy sy anabavy 10 no naratra, anisan’izany ny anabavy iray vadina mpiandraikitra ny faritra, ary nampidirina hopitaly izy. Efa mihasalama anefa io anabavy io izao

  • Trano 4 no simba be

  • Trano 4 no simba kely

  • Efitrano Fanjakana 2 no simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky iray notendrena mba hikarakara an’ireo tra-boina

  • Manohy mitsidika sy mampahery an’ireo tratran’ilay loza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo tratran’iny horohoron-tany iny isika, sady misaotra an’ireo mikarakara azy ireny. Matoky isika fa na dia amin’izao andro feno zava-tsarotra sy korontana izao aza, dia hanome antsika hery hiaretana i Jehovah, ilay Vatolampintsika.​—1 Samoela 2:2.