Hijery ny anatiny

18 AOGOSITRA 2020
MOZAMBIKA

Navoaka Tamin’ny Fiteny Changana sy Makua ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka Tamin’ny Fiteny Changana sy Makua ny Soratra Grika Kristianina

Navoaka tamin’ny fiteny changana sy makua Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny endrika elektronika, tamin’ny 15 sy 16 Aogositra 2020. Mpitory maherin’ny 8 000 any Mozambika no miteny Changana, ary maherin’ny 1 700 no miteny Makua.

Ny Rahalahy David Amorim, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Mozambika, no nanao ny lahateny namoahana an’ilay Baiboly. Nalaina video mialoha ilay lahateny mba hojeren’ireo mpitory. Nahazo alalana koa ireo rahalahy mba handefa an’ilay fandaharana amin’ny tele iray sy amin’ny radio maherin’ny 30.

Any amin’ny faritra roa any amin’ny farany atsimon’i Mozambika no tena ampiasaina ny fiteny changana, ary olona sivy hetsy sy iray tapitrisa eo ho eo no miteny azy io. Misy itovizany be amin’ny fiteny tsonga, izay fiteny ampiasaina any Afrika Atsimo, izy io.

Any amin’ny faritra avaratr’i Mozambika kosa no misy an’ireo mampiasa ny fiteny makua. Olona valo hetsy sy dimy tapitrisa eo ho eo no miteny azy io, ary izy io no fitenim-paritra be mpampiasa indrindra any Mozambika.

Sarotra be ho an’ireo mpitory mampiasa an’ireo fiteny ireo ny nahazo Baiboly, nandritra ny taona maro. Lafo ny Baiboly taloha, sady tsy te hivarotra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpivarotra Baiboly sasany. Izao no notantarain’ny mpandika teny iray: “Tadidiko fa nisy fiangonana sasany tsy nanana afa-tsy Baiboly iray. Napetraka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ilay izy, dia iny no nampiasain’ny mpandahateny sy izay manana anjara amin’ny fivoriana andavanandro.”

Tena faly isika fa nahazo ny Soratra Grika Kristianina amin’ny fiteniny ireo rahalahy sy anabavy miteny Changana sy Makua. Matoky isika fa tena hanampy ny olona hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana” ireo Baiboly ireo.—1 Timoty 2:3, 4.