Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Taras Kuzo sy Darya vadiny ary ny Rahalahy Sergey Lyulin sy Petr Zhiltsov

27 SEPTAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 22 MARTSA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA NOFOANANA | Tsy Kivy Satria Ampian’i Jehovah

VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA NOFOANANA | Tsy Kivy Satria Ampian’i Jehovah

Nofoanan’ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Crimée ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Taras Kuzo sy ny Ranabavy Darya Kuzo,vadiny, ary Rahalahy Sergey Lyulin sy Petr Zhiltsov, tamin’ny 21 Martsa 2024. Nafahana avy hatrany àry ry zareo. Haverina hotsaraina ry zareo, dia ny Fitsaran’i Yalta, any amin’ny Repoblikan’i Crimée no hanao izany.

Nomelohin’ny Fitsaran’i Yalta, any amin’ny Repoblikan’i Crimée, ny Rahalahy Taras Kuzo sy ny Ranabavy Darya Kuzo,vadiny, ary Rahalahy Sergey Lyulin sy Petr Zhiltsov, tamin’ny 27 Febroary 2023. Sazy mihantona telo taona no azon’i Darya. Tsy voatery migadra any am-ponja aloha izy izao. Voaheloka higadra enin-taona sy tapany i Taras. Samy voaheloka higadra enin-taona sy iray volana kosa i Sergey sy Petr. Tonga dia naiditra am-ponja ireo rahalahy telo ireo raha vao niala teo amin’ny fitsarana.

Zava-nitranga

  1. 4 Martsa 2021

    Voampanga hoe nanao heloka bevava i Taras, satria nanome vola hanohanana fikambanana “mampidi-doza”

  2. 11 Martsa 2021

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah sivy no natao bemidina, anisan’izany ny tranon’i Kuzos sy Sergey. Notanana am-ponja vonjimaika i Taras

  3. 12 Martsa 2021

    Navoaka i Taras dia nambenana tao amin’ny trano iray. Tsy navela niara-nipetraka tamin’ny fianakaviany anefa izy rehefa nambenana an-trano

  4. 29 Jolay 2021

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Darya sy Petr ary Sergey. Notazonin’ny polisy i Petr

  5. 30 Jolay 2021

    Natambatra ho raharaha iray ihany ireo fiampangana ireo. Navoaka i Petr dia nambenana an-trano

  6. 11 Aogositra 2021

    Nosamborina i Sergey dia nampidirina am-ponja vonjimaika, tany amin’ny 800 kilaometatra teo ho eo niala avy teo amin-dry zareo. Nofatorana tamin’ny rojo teo amin’ilay bara vy teo ambonin’ny lohany ny tanany, dia ny tongony indray nafatotra tamin’ny seza, nandritra ny adiny 16 teny an-dalana

  7. 1 Martsa 2022

    Navoaka tany am-ponja i Sergey dia nambenana an-trano indray

  8. 4 Aprily 2022

    Nanomboka ny fitsarana

  9. 11 Jolay 2022

    Tsy nambenana an-trano intsony i Petr sy Sergey ary Taras. Tsy nahazo niala ny tanàna nisy azy anefa izy ireo

Ireo Voampanga

Mety hahatsapa hoe “tery loatra ka tsy afa-mihetsika” ireny mpiara-manompo tsy mivadika ireny rehefa gadraina na atao am-ponja vonjimaika na ambenana an-trano, saingy tsy hafoin’i Jehovah mihitsy izay enjehina noho ny anarany.​—2 Korintianina 4:8, 9.