Hijery ny anatiny

10 MARTSA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Baiboly Nivoaka Tany Afrika Atsimo

Baiboly Nivoaka Tany Afrika Atsimo

Navoakan’ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Fampiasa any Afrika Atsimo (fantatra amin’ny hoe SASL any Afrika Atsimo), tamin’ny 5 Martsa 2023. Nivoaka tamin’io fotoana io koa ny bokin’i Matio amin’ny teny ndonga. Nandritra ny fandaharana manokana iray natao tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo no namoahan’ny Rahalahy Splane an’ireo Baiboly ireo. Be dia be ny fiangonana nanaraka an’ilay fandaharana, avy any amin’ny faritra nisy azy. Nisy 130 000 mahery ny mpanatrika tamin’ny fitambarany. Vao nivoaka ireo Baiboly ireo dia tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika.

Tamin’ny 2007 ilay Baiboly amin’ny SASL no nanomboka nadika, ary tany amin’ny biraon’ny sampana any akaikin’i Johannesburg, any Afrika Atsimo, no nanaovana azy. Nifindra tany amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana any Durban ilay ekipa mpandika teny, tamin’ny 2022. Anti-panahy marenina ny Rahalahy Ayanda Mdabe, ary izao no nolazainy momba an’ilay Baiboly amin’ny SASL vao nivoaka: “Rehefa hampiasa an’ity fandikan-teny ity ny marenina, dia vao mainka ho hitan’izy ireo mazava tsara hoe tena marina sady manan-kery ny Tenin’Andriamanitra. Manampy ahy hahafantatra kokoa ny toetran’i Jesosy sy ny torolalan’ny Baiboly koa ity Baiboly amin’ny SASL ity. Lasa mamolavola ny fomba fisainako ilay izy.”

Any Namibia no tena betsaka olona miteny ndonga, ary any Ondangwa no misy ny biraon’ny fandikan-teny mitokana ndonga. a Izao no nolazain’ny mpandika teny iray: “Rehefa nivoaka ity Baiboly ity, dia lasa tsaroako hoe tena tia olona i Jehovah sady tiany hahafantatra ny marina momba azy izy ireo.”

Handray soa amin’ireo Baiboly vao nivoaka ireo ny rahalahy sy anabavy ka miara-paly amin’izy ireo isika. Marina tsara ireo fandikan-teny ireo ka tena hanampy azy ireo hitahiry ny didin’i Jehovah ao am-pony.​—Ohabolana 2:1.

a Ny sampan’i Afrika Atsimo no miandraikitra ny asa any Namibia.