Hijery ny anatiny

22 NOVAMBRA 2023
INDE

Nivoaka Tamin’ny Teny Nikobarey ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Teny Nikobarey ny Bokin’i Matio

Nivoaka tamin’ny 10 Novambra 2023 Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio, amin’ny teny nikobarey. Nandritra an’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Manàna Faharetana”! natao tany Port Blair, any amin’ny Nosy Andaman sy Nicobar, any Inde, ilay izy no navoaka. Nisy 180 ny mpanatrika tamin’izay. Tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika io boky io tamin’izay, fa hivoaka tsy ho ela kosa ny boky vita pirinty.

Any amin’ny Oseana Indianina no misy ny Nosy Andaman sy Nicobar, ka fitambarana nosy sy nosikely ary harambato 800 mahery izy ireo. Misy mipetraka ny 31 amin’ireo nosy ireo. Misy 430 000 ny mponina any amin’izy ireo, ary tombanana ho 30 000 eo ho eo amin’izy ireo no miteny nikobarey. Tamin’ny 2001 no niorina ny fiangonana voalohany miteny nikobarey. Misy fiangonana telo any izao, dia 129 ny isan’ny mpitory ao amin’ireo fiangonana ireo.

Efa misy Baiboly iray voadika manontolo amin’ny teny nikobarey, saingy ao amin’ny Salamo 83:18 sy ao amin’ny andininy vitsivitsy amin’ilay izy ihany no ahitana an’ilay anarana hoe Jehovah. Tsy misy an’izany anefa ao amin’ny bokin’i Matio. Mampiasa teny sy fomba fiteny maro efa tranainy be koa ilay izy ka sarotra azo. Tsy hoe mazava tsara sy mora vakina fotsiny anefa ilay bokin’i Matio vao nivoaka, fa naverina eo amin’ny toerana tokony hisy azy koa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, dia hita ao im-18.

Matoky isika hoe ho maro be ny olona tso-po miteny nikobarey handray soa amin’io bokin’i Matio vao nivoaka io, ka ho lasa akaiky an’i Jehovah, ilay namorona ny zava-drehetra.​—Salamo 36:9.