Hijery ny anatiny

Mandoro kodiarana tao Port-au-Prince, Haïti

19 MARTSA 2024
HAÏTI

Mihamitombo ny Korontana any Haïti dia Miaritra ny Vokatr’izany ny Mpiara-manompo Any

Mihamitombo ny Korontana any Haïti dia Miaritra ny Vokatr’izany ny Mpiara-manompo Any

Mihamitombo ny andian-jiolahy mahery setra sy ny korontana any Haïti tato ho ato, dia misy vokany amin’ny mpiara-manompo amintsika any izany. Lasa feno herisetra tao Port-au-Prince, renivohitr’i Haïti, nanomboka tamin’ny 2 Martsa 2024. Nisy andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tonga tao tamin’io, dia nanafika trano lehibe maromaro sy toerana hafa. Noho izany dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana hoe ferana ny ora fodiana, dia niteny ry zareo hoe ao anaty hamehana ilay tany. Araka ny tatitra iray dia olona 15 000 teo ho eo no voatery nandositra tany amin’ny faritra azo antoka kokoa ao amin’ilay tany. Be dia be koa anefa no maty.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra

  • Rahalahy sy anabavintsika 113 no voatery nifindra toerana

  • Trano 2 no rava

  • Fianakaviana 5 no namoy ny fananany rehetra, satria nisy nangalatra izany tao anaty korontana

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba na rava

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 4 no natsangana mba hanampy tra-boina manerana ny faritra iandraiketan’ny sampana any

  • Mampahery sy manome an’izay ilain’ireo niharan-doza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, anisan’izany ireo nandositra vokatry ny herisetra

Fianakaviana iray ihany isika rehetra, na aiza na aiza misy antsika maneran-tany. Miara-mivavaka àry isika rehetra mba homen’i Jehovah fahendrena sy hampiany ho tony ny rahalahy sy anabavintsika any Haïti, ao anatin’izao fotoan-tsarotra atrehin-dry zareo izao. Efa tsy andrintsika rehetra ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hisy tontolo vaovao dia “ho be ny fiadanana” ao.​—Salamo 72:7.