Hijery ny anatiny

Biraom-panjakana any Rhénanie-du-Nord-Westphalie

10 OKTOBRA 2017
ALEMAINA

Eken’i Alemaina hoe ny Sata Mifehy ny Fivavahana Lehibe no Mifehy ny Vavolombelon’i Jehovah

Eken’i Alemaina hoe ny Sata Mifehy ny Fivavahana Lehibe no Mifehy ny Vavolombelon’i Jehovah

Nampitovina amin’ny sata mifehy ny fivavahana lehibe any Alemaina izao ny sata mifehy ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nitranga izany taorian’ny ady teny amin’ny fitsarana naharitra 26 taona mahery. Misy fanjakana federaly 16 any Alemaina ary i Rhénanie-du-Nord-Westphalie no fanjakana farany nanaiky hoe hampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny lalàna ho an’ny fivavahana lehibe any Alemaina, tamin’ny 27 Janoary 2017. Tena zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Efa 100 taona mahery mantsy izay no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, nefa natao toy ny fikambanana ara-pivavahana mahaleo tena ireo fiangonana an’arivony sy ny foiben’izy ireo, eo anatrehan’ny lalàna. Efa ny sata mifehy ny fivavahana lehibe izao no mifehy ny Vavolombelona any amin’ny fanjakana federaly rehetra any Alemaina, ka lasa fikambanana ara-pivavahana iray izy ireo ary mahazo tombontsoa maro mifandray amin’izany.

Ady teny amin’ny fitsarana naharitra taona maro

Hafa ny sata nifehy ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, nanomboka tamin’ny 1921, tamin’ny vao nosoratana ara-panjakana ilay fivavahana. Taorian’ny nanakambanana an’i Alemaina tamin’ny 1990, dia nangataka ny Vavolombelon’i Jehovah mba hovana hitovy amin’ny an’ny fivavahana lehibe ny sata mifehy ny fivavahany. Maro mantsy ny tombontsoa azo avy amin’izany.

Araka ny lalàna, dia tsy maintsy eken’ny fanjakana federaly misy ny biraony aloha ilay fikambanana ara-pivavahana, izay vao mahazo ny sata vaovao manerana an’i Alemaina. Afaka mandefa fangatahana any amin’ireo fanjakana federaly 15 hafa ilay fikambanana, aorian’izay. Ny fanjakan’i Berlin no nandefasan’ilay fikambanana ara-pivavahana hoe Jehovas Zeugen in Deutschland (Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina) fangatahana voalohany, tamin’ny 1990, satria any no misy ny adiresiny ara-dalàna. Vetivety dia ekena, matetika, ny fangatahana toy izany, ohatra hoe herintaona na roa taona. Tsy nanaiky ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy anefa ny manam-pahefana tao Berlin, nandritra ny taona maro. Anisan’ny antony nolazainy ny hoe tsy mandray anjara amin’ny fifidianana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mitombina anefa izany satria tsy takin’ny lalàna ny hoe tsy maintsy mifidy ny olom-pirenena alemà. Safidin’ny tsirairay na hifidy izy na tsia.

Niakatra fitsarana ilay raharaha tatỳ aoriana. Namoaka didy ny Fitsarana Ambony Misahana ny Ady Amin’ny Fanjakana any Berlin, tamin’ny 24 Martsa 2005, hoe tsy maintsy ekena ho fikambanana ara-pivavahana lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina. Nilefitra ihany ny fanjakana federalin’i Berlin, herintaona mahery taorian’izay, ka nanaiky ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifarana hatreo àry aloha ny ady tamin’i Berlin teny amin’ny fitsarana, izay naharitra 16 taona.

Nandefa fangatahana tany amin’ireo fanjakana federaly 15 ambiny ny Vavolombelon’i Jehovah, avy eo. Nanaiky ny 11 tamin’izy ireo, tamin’ny 2009, ary nanaiky koa ny 3 nandritra an’ireo taona nanaraka. Ny fanjakana federalin’i Rhénanie-du-Nord-Westphalie no farany nanaiky, tamin’ny 27 Janoary 2017. Nekena ihany ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, rehefa avy niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny 26 taona izy ireo. Lasa mitovy amin’ny sata mifehy ny fivavahana lehibe any izao ny sata mifehy azy ireo.

Tombontsoa azo

Ao anatin’ny fikambanana iray ihany izao ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina sy ireo fiangonana 2000 mahery any. Taloha anefa, dia tsy maintsy mandefa tatitra isan-taona any amin’ny fanjakana sy mandoa hetra ireo fikambanana ara-pivavahana tsirairay mahaleo tena, izay nisy fiangonana iray, fara fahakeliny. Tsy maintsy natao tatitra tany amin’ny fanjakana koa izay fiovana teo anivon’ireny fikambanana ireny, ohatra hoe rehefa misy anti-panahy vaovao notendrena, na misy tany na trano vidina, na miova anarana na natambatra ny fiangonana. Nandany fotoana sy niezaka be ny anti-panahy, taloha, mba hikarakarana an’ireny tatitra ireny. Izao anefa izy ireo afaka mifantoka kokoa amin’izay ilain’ny fiangonana misy azy. Nandoa vola koa isika taloha, rehefa nandefa an’ireny tatitra ireny, satria mbola tsy nekena ho fikambanana ara-pivavahana lehibe. Hoy ny anti-panahy iray efa hatramin’ny ela: “Azo ampiasaina tsara hanohanana ny fitoriana ataon’ny fiangonana izao ny fanomezana voaray.”

Tsy noheverina ho fivavahana lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina, hatramin’izay, na dia misy 274000 be izao aza ny Vavolombelona sy ny olon-kafa manatrika ny fivorian’izy ireo. Hoy i Armin Pikl, mpisolovavan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina: “An-jatony ny fanazavana diso sy manala baraka avoakan’ny filazam-baovao momba ny fivavahanay, nandritra an’ireo 26 taona mahery niadiana teny amin’ny fitsarana. Nila ho isan-kerinandro mihitsy izany, indraindray. Efa nihena be mihitsy anefa izany izao.” Hoy i Werner Rudtke, Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny ela: “Voaporofo izao hoe diso ny fanendrikendrehana ny Vavolombelona satria izay fikambanana mpankatò lalàna amin’ny lafiny rehetra ihany no ekena ho fikambanana ara-pivavahana lehibe.” Mitantara ny nanjo ny mpianatra koa i Petra, Vavolombelona hafa. Hoy izy: “Tena ilain’ny ankizy mpianatra iny fanovana iny. Hatramin’izao mantsy ny mpampianatra mbola manavakavaka ny ankizy Vavolombelona ihany satria endrikendrehina hoe ‘sekta’ ry zareo fa tsy anisan’ny fivavahana iray.”

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina satria eken’ny fanjakana ihany hoe mahafeno fepetra ho fivavahana lehibe izy ireo. Manantena izy ireo hoe tsy ho tratran’ny olana sasany nahazo azy taloha intsony, ary handray soa daholo na ny tsirairay aminy na izy ireo amin’ny fitambarany.