Hijery ny anatiny

Rahalahy Mark Sanderson mampiseho Baiboly vita pirinty, amin’ny teny kwangali sy sepulana ary tswana

10 MARTSA 2021
AFRIKA ATSIMO

Baiboly Telo no Indray Nivoaka Tatsy Afrika Atsimo

Baiboly Telo no Indray Nivoaka Tatsy Afrika Atsimo

Nahazo fanomezana miavaka ny mpitory miteny kwangali sy sepulana ary tswana atsy Afrika Atsimo, tamin’ny 7 Martsa 2021. Namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny kwangali sy sepulana ary Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina tamin’ny teny tswana ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nalaina video mialoha ny lahateniny ary nanaraka an’ilay izy tamin’ny alalan’ny Internet ny mpiara-manompo. Video no nampiasaina tamin’izany. Azo alaina amin’ny endrika elektronika ilay Baiboly.

Kwangali

Ekipa iray misy mpandika teny telo no nandika an’ilay Baiboly nandritra ny roa taona. Manana Baiboly amin’ny fiteniny izao ny rahalahy sy anabavy miteny kwangali. Miisa 240 mahery ry zareo. Mora vakina ilay Baiboly ka hanampy kokoa azy ireo amin’ny fianarana samirery sy ny fanompoana.

Sepulana

Mpandika teny enina no nanao an’ilay tetikasa nandritra ny herintaona sy tapany teo ho eo. Mpitory 374 no miteny sepulana atsy Afrika Atsimo.

Hoy ny mpandika teny iray: “Rehefa nitory izahay teo aloha, dia Baiboly amin’ny teny sepedi matetika no nampiasainay. Rehefa nisy olona liana dia tsy maintsy nanazava na nandika teny iray na roa tao amin’ilay andininy aloha izahay vao nanazava ny tian’ilay andininy holazaina. Fa izao kosa izahay efa manana an’ilay fandikan-teny, dia vao mamaky an’ilay andininy indray mandeha fotsiny dia efa azo ny dikany.”

Tswana

Nila efa-taona teo ho eo vao vita ilay Baiboly nohavaozina. Mpandika teny enina no nandika an’ilay izy. Maherin’ny 5 600 ny mpitory miteny tswana.

Hoy ny mpandika teny iray momba ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny tswana: “Tsy ho lany andro hanazava teny sarotra intsony izao ny mpitory. Hanampy azy ireo hanatsara ny fanompoany kosa io fandikan-teny io. Fitaovana fianarana tena tsara koa ilay izy satria misy tabilao, sarintany, sary, ary fanazavana teny. Hanampy ny mpitory hahazo sary an-tsaina an’izay resahin’ny Baiboly ireo.”

Hahasoa ny mpiara-manompo sy izay olona hitorian’izy ireo io Baiboly vaovao io, satria hanampy azy ireo hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Tena mankasitraka ny sakafo ara-panahy be dia be azontsika amin’izao isika.—Isaia 65:13.