Hijery ny anatiny

Fifanekena Momba ny Fampiasana ny Mombamomba Anao

Fifanekena Momba ny Fampiasana ny Mombamomba Anao

Alainay sy tehirizinay ary ampiasainay ny mombamomba anao mba hahavitana an’ilay antony nandefasanao azy, sy mandra-pahavitan’izany. Tehirizinay koa ilay fanazavana raha misy antony ara-dalàna tokony hitehirizana azy. Raha misy fanazavana sasany tsy omenao nefa angatahinay, dia mety tsy ho hitanao ny zavatra sasany ao amin’ilay tranonkala. Mety tsy ho tafiditra ao amin’ny programa sasany novokarin’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. koa ianao, na mety tsy ho afaka hamaly ny fangatahanao izahay.

Afaka mahita an’ilay fanazavana nomenao tao amin’ny fangatahana nataonao ny olona mikarakara an’ilay fangatahana sy/na ny teknisianina mpikojakoja an’ilay programa sy mampandeha an’ilay izy. Tsy omenay an’iza na iza ny mombamomba anao, raha tsy hoe 1) tena ilaina mba hamaliana ny fangatahanao izany ary efa nilazanay ianao; 2) na mino tanteraka izahay fa tena ilaina izany mba hanarahana ny lalàna; 3) na angatahin’ny manam-pahefana; 4) na ilaina izany mba hamantarana sy hisorohana fanaovana hosoka na olana ara-teknika. Matoa ianao mampiasa an’ity tranonkala ity dia manaiky fa azonay omena olon-kafa ny mombamomba anao, noho ireo antony voalaza eo aloha ireo ihany. Tsy amidinay, na atakalonay, na ampanofainay mihitsy ny mombamomba anao na misy inona na misy inona.

FAMPIASANA NY MOMBAMOMBA ANAO AO AMIN’ILAY TRANONKALA

Azon’ny besinimaro jerena ny ankamaroan’ny zavatra hita ato amin’ity tranonkala ity. Tsy voatery hiditra ao amin’ny kaonty manokana na hanome ny mombamomba anao ianao raha hanao an’izany. Izay manana kaonty kosa no mahita zavatra sasany, izany hoe izay mandefa fangatahana na manao fanafarana, na izay nampidirin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny jw.org ny mombamomba azy. Karakarainay ny fanazavana momba anao satria efa nekenao izany. Raha tsy ekenao intsony anefa ny hikarakaranay ny fanazavana momba anao, dia mety mbola hokarakarainay ihany ilay izy raha takin’ny lalàna ny hanaovanay an’izany.

Izay fanazavana nampidirinao tato amin’ity tranonkala ity, dia tsy hampiasaina afa-tsy amin’ilay antony nampahafantarina anao, tamin’ianao nampiditra azy tato. Tafiditra amin’izany antony izany ireto manaraka ireto:

Kaonty. Mety hampiasainay hifandraisana aminao ilay adiresy email nampidirinao tamin’ianao namorona kaonty. Raha hadinonao, ohatra, ny solon’anaranao na ny tenimiafinao ka mila fanampiana ianao amin’ny fidirana amin’ny kaontinao, dia handefa hafatra any amin’ilay adiresy email nampidirinao izahay mba hanampiana anao.

Fangatahana. Raha mahafeno fepetra mifanaraka amin’ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fomba fiasany ianao, dia afaka mampiasa an’ity tranonkala ity mba hanokafana kaonty sy handefasana fangatahana. Afaka mampiasa azy ity koa ny fiangonana misy anao mba handefasana ny fangatahanao. Efa voalaza ao amin’ny fangatahana tsirairay ny tanjon’ilay izy, ohatra hoe te hanao asa ara-pivavahana bebe kokoa, na koa hoe te hangataka na te hanome filasiana amin’ny fivoriambe na fotoan-dehibe hafa. Mety ho ianao na ny anti-panahy ao aminareo na ny mpiandraikitra ny faritrareo no hampiditra ny fanazavana momba anao ao amin’ilay fangatahanao sy handefa azy. Tsy ampiasainay afa-tsy amin’ny fikarakarana sy fandinihana ny fangatahanao izay fanazavana voarainay, ary koa amin’ny fandaminana ny fomba fiasa. Tafiditra amin’izany ny hoe amoronana fitehirizana ny mombamomba anao ianao, mba hanatontosana an’ilay fangatahanao. Mety halefanay any amin’ny sampana hafa, na any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, na fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena samihafa ny fanazavana ao amin’ilay fangatahana alefanao raha ilaina amin’ny fikarakarana azy izany. Na ahoana na ahoana, dia hojerenay tsirairay izay fangatahana voarainay ary tsy voatery hitovy ny valiny.

Fanomezana. Ilainay ny anaranao sy ny mombamomba anao rehefa manao fanomezana ara-bola amin’ny alalan’ny Internet ianao. Tranonkala mpikarakara fandoavam-bola azo antoka no iarahanay miasa, mba hahafahanay mandray ny fanomezana ataonao amin’ny alalan’ny karatra fandoavam-bola. Azo itokisana tsara ny fiarovana ampiasain’ireny tranonkala ireny sy ny fifanekena ataony momba ny tsiambaratelo. Mety hahazo fanazavana momba ny kaontim-bolanao izahay, toy ny laharan’ny karatra fandoavam-bola na ny nomeraon’ny kaontinao, mba hahafahana mikarakara ny fanomezanao. Alefanay any amin’ireny tranonkala mpikarakara fandoavam-bola ireny izay fanazavana ilainy. Mampiasa Payment Card Industry Data Security Standard (“PCI DSS”) izahay mba hiarovana ny fanomezana omenao. Tehirizinay mandritra ny folo taona, fara fahakeliny, ny fanazavana momba ny famindram-bola, anisan’izany ny daty nanaovana fanomezana, ny vola nomena, ary ny karazan’ilay fanomezana. Manao an’izany izahay satria izay no fenitra arahina amin’ny fikarakarana kaonty ary izany koa no ahafahanay mamaly ny fanontanianao ao anatin’io fe-potoana io. Tsy hangataka fanomezana fanampiny aminao izahay.

Fangatahana hotsidihina. Afaka mandefa fangatahana amin’ny alalan’ity tranonkala ity koa ianao raha tianao hisy Vavolombelon’i Jehovah hitsidika anao. Mety hoe te hahafantatra misimisy kokoa momba ny Baiboly na momba ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ianao. Tsy ampiasainay amin-javatra hafa ny fanazavana ny momba anao fa amin’ny fikarakarana an’izay nangatahinao ihany. Rehefa avy nanamafy ianao hoe tena halefa ilay fangatahana, dia mety halefa any amin’ny sampana hafa na ny fikambanana hafa ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mombamomba anao mba hanatontosana ny fangatahanao.

Antony hafa. Mety handefa ny mombamomba anao (toy ny anaranao, adiresinao, na nomeraon-telefaoninao) ianao noho ny antony hafa ankoatra ny hoe hamorona kaonty, handefa fangatahana, na hanao fanomezana. Raha misy antony hafa ilana an’izany àry dia tsy maintsy hampahafantarina anao. Raha misy zavatra hafa tsy nolazainay taminao tamin’ianao nanome ny mombamomba anao, dia tsy hampiasainay amin’izany mihitsy ny fanazavana nomenao.

FAMPIASANA NY MOMBAMOMBA ANAO AO AMIN’NY JW LIBRARY

Efa voalaza ao amin’ilay pejy hoe Ahoana no Ampiasan’ny JW Library ny Mombamomba Anao? ny fomba ampiasana ny mombamomba anao ao amin’ny JW Library.

Araka ny voalaza ao amin’io pejy io, dia izay fanazavana ao amin’ny tranonkala jw.org no alain’ny programa JW Library. Afaka mahita ny adiresy IP an’ilay olona mampiasa azy ilay tranonkala mandritra ny fotoana akan’ny JW Library an’ireo fanazavana ireo. Izay fanazavana azon’ilay tranonkala dia natao mba hampandehanana an’ilay programa sy hanatsarana ny fomba fiasany ary hahatonga ny fampiasana azy ho azo antoka foana. Ireto avy no hampiasana an’ilay fanazavana, raha faritana tsara: Mba hahafahan’ilay olona hanokatra an’ilay programa sy hampandeha azy, mba handrindrana ny fomba fiasan’ilay programa sy hanatsarana azy, mba hisorohana sy hamantarana fanaovana hosoka na programa misy virosy, ary mba hamahana olana mifandray amin’ny resaka fiarovana.

FAMINDRANA FANAZAVANA MANKANY AN-TANY HAFA

Miasa maneran-tany amin’ny alalan’ny fikambanana any amin’ny tany samihafa ny fikambanana ara-pivavahanay. Any Etazonia no misy ny serveurs sasany mampiantrano an’ity tranonkala ity. Mety hafindranay any amin’ny firenena ivelan’ny misy anao ny fanazavana omenao. Tsy voatery hitovy ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana ao amin’ireny firenena ireny sy ny any amin’ny misy anao. Efa misy fepetra raisina mba ho voaro ny mombamomba anao rehefa karakaraina sy afindra ilay izy. Mino izahay fa hanaraka ny fifanekena apetrakay momba ny fiarovana fanazavana ny fikambanana rehetra hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana manohana ny asany, sady hanaja ny lalàna sy ny fitsipika miaro ny fanazavana momba ny olona.

Matoa ianao mitsidika an’ity tranonkala ity sy mandefa fanazavana amin’ny endrika elektronika atỳ aminay dia manaiky hoe mety halefa any an-tany hafa ny mombamomba anao.

NY ZONAO

Rehefa mampiasa ny fanazavana momba anao izahay, dia manao an’izay azonay atao mba ho marina tsara sy izay fanazavana farany no horaisinay mba hamitana an’ilay antony nakana azy. Miovaova arakaraka ny firenena ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana. Mety hanan-jo hanao an’ireto ianao, arakaraka ny firenena misy anao, raha efa nandefa ny mombamomba anao atỳ aminay:

  • Afaka manontany momba ny antony hakana sy hampiasana ny fanazavana momba anao ianao, mifanaraka amin’ny lalàna eo an-toerana;

  • Afaka mangataka ianao hoe hijery, hanitsy, hamafa, na hanidy ny mombamomba anao raha misy tsy ampy na diso ilay fanazavana;

  • Afaka mandà ianao hoe tsy hokarakaraina ny mombamomba anao ary tsy hokitihinay intsony, raha manana antony ara-dalàna hangatahana an’izany ianao.

Raha misy lalàna momba ny fiarovana fanazavana ao amin’ny firenena misy anao ka te hijery na hanitsy na hamafa ny mombamomba anao ianao, dia jereo amin’ilay hoe Adiresy Momba ny Fiarovana Fanazavana ny fomba ifandraisana amin’ny tompon’andraikitra.

Mila mandefa fangatahana an-tsoratra ianao, ary manome fanazavana sy porofo ampy tsara mba hamantarana sy hanamarinana hoe iza ianao. Hodinihin’ny mpikarakara fanazavana avy eo hoe hekena sa tsia ilay fangatahana hijery na hanitsy na hamafa fanazavana momba ny olona iray, ka eritreretiny tsara ny tombony mety ho azon’ilay mpanao fangatahana sy ny an’ilay fikambanana. Anisan’ny hodinihiny koa hoe mety hanohintohina ny fahalalahana ara-pivavahan’ilay fikambanana ve ilay izy raha ekena. Hilazanay koa izay olon-kafa mpiara-miasa aminay mila tenenina raha misy fanovana mila atao.

Tadidio fa mety tsy ho voafafa ny fanazavana momba anao raha takin’ny lalàna ny hikarakaranay azy, na misy lalàna hafa mahatonga anay ho afaka hitahiry azy. Tokony hotehirizin’ilay fikambanana ara-pivavahana foana, ohatra, ny fanazavana momba ny olona iray Vavolombelon’i Jehovah. Raha fafana àry ny fanazavana momba azy, dia ho voatohintohina ny zavatra inoan’ilay fikambanana sy ny fomba fiasany. Ny fangatahana hamafa ny mombamomba ny olona iray dia tokony hatao mifanaraka amin’izay lalàna mety hihatra, na izay takin’ilay programa mpitahiry azy. Afaka mitaraina any amin’ny manam-pahefana momba ny fiarovana fanazavana koa ianao raha misy tsy azoazonao ny fomba hikarakaranay ny fanazavana nampidirinao tato amin’ity tranonkala ity.