Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

WATCHTOWER LIBRARY

Fanontaniana Fametraky ny Olona: Watchtower Library

Fanontaniana Fametraky ny Olona: Watchtower Library

Mila Microsoft Windows 7 na ambonin’izay ny ordinateranao, izay vao mahazaka Watchtower Library. Raha ARM ny processeur amin’ny ordinateranao, dia tokony ho Windows 11.

 

Araho ireto toromarika manaraka ireto raha efa nanandrana imbetsaka ianao nefa tsy mety havaozina ny Watchtower Library ampiasainao:

  1. Mandehana ao amin’ilay pejy hoe Hanavao Watchtower Library ao amin’ny jw.org.

  2. Alaivo ny rakitra fanavaozana ny Watchtower Library amin’ny fiteninao.

  3. Araho ny toromarika eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Hampiasa an’ilay rakitra fanavaozana.”

Raha mbola tsy mety ihany izany, dia izao indray atao:

  1. Sokafy ao amin’ny fitaovana ampiasainao ny rakitra ao amin’ny “C:\ProgramData\Watchtower\WTLibrary.”

  2. Fafao ireto avy eo:

    • a. ca-bundle.zip

    • b. cert.pem

Miresaha amin’ny namanao efa zatra mampiasa Watchtower Library raha sarotra aminao ny manao an’ireo, na mifandraisa amin’ny biraon’ny sampanay akaiky anao indrindra.

 

Mety ho afaka hanampy anao ny namanao efa zatra mampiasa Watchtower Library. Raha tsy izany dia mifandraisa amin’ny biraon’ny sampanay akaiky anao indrindra.