Hijery ny anatiny

Mampianatra ve ny Baiboly hoe Rehefa ‘Voavonjy Indray Mandeha, dia Voavonjy Mandrakizay’?

Mampianatra ve ny Baiboly hoe Rehefa ‘Voavonjy Indray Mandeha, dia Voavonjy Mandrakizay’?

Valiny ara-baiboly

 Tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Mety hoe efa voavonjy ny olona iray noho izy nino an’i Jesosy Kristy. Mety tsy hanam-pinoana intsony anefa izy, ka lasa tsy voavonjy indray. Resahin’ny Baiboly fa mila ‘miady mafy’ ny olona iray mba hananany finoana matanjaka foana. (Joda 3, 5) Nilazana toy izao ireo Kristianina nandray an’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.”—Filipianina 2:12.

Andinin-teny manaporofo fa diso ilay hoe rehefa ‘voavonjy indray mandeha, dia voavonjy mandrakizay’

  •   Mampitandrina ny Baiboly fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona manao fahotana lehibe. (1 Korintianina 6:9-11; Galatianina 5:19-21) Tsy misy ilana an’io fampitandremana io, raha tsy maintsy ho voavonjy foana ny olona iray. Resahin’ny Baiboly kosa fa na ny olona efa voavonjy aza mety hiala amin’ny finoana rehefa zatra manao fahotana lehibe. Izao, ohatra, no lazain’ny Hebreo 10:26: “Raha minia manota isika rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony.”—Hebreo 6:4-6; 2 Petera 2:20-22.

  •   Nantitranterin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana momba ny voaloboka fa tena ilaina ny manana finoana matanjaka foana. Nohariny tamin’ny voaloboka ny tenany, ary tamin’ny sampany kosa ny mpanara-dia azy. Nanam-pinoana ny sasany tamin’izy ireo, ary hita tamin’ny voany na ny zavatra nataony izany. Niova anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka lasa “toy ny sampany [tsy mamoa] ariana eny ivelany”, ary tsy voavonjy intsony. (Jaona 15:1-6) Nanao fanoharana mitovitovy amin’izany ny apostoly Paoly, ka nilaza fa “hokapaina” izay Kristianina miala amin’ny finoana.—Romanina 11:17-22.

  •   Asaina ‘miambina hatrany’ ny Kristianina. (Matio 24:42; 25:13) Raha lasa matory ara-panahy anefa izy, izany hoe zatra manao “asan’ny haizina” na tsy mahavita tsara an’ireo asa nandidian’i Jesosy, dia tsy ho voavonjy izy.—Romanina 13:11-13; Apokalypsy 3:1-3.

  •   Betsaka ny andinin-teny milaza fa mbola mila miaritra hatramin’ny farany, na dia ireo efa voavonjy aza. (Matio 24:13; Hebreo 10:36; 12:2, 3; Apokalypsy 2:10) Faly ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa naheno hoe niaritra ny Kristianina namany satria nanam-pinoana. (1 Tesalonianina 1:2, 3; 3 Jaona 3, 4) Hanantitrantitra ve ny Baiboly hoe tena ilaina ny miaritra sy tsy mivadika, raha tsy maintsy ho voavonjy foana ny olona iray?

  •   Rehefa ho faty ny apostoly Paoly vao natoky hoe ho voavonjy izy. (2 Timoty 4:6-8) Niaiky izy talohan’izay fa mety tsy ho voavonjy izy raha resin’ny fanirian’ny nofo. Hoy izy tao amin’ny taratasiny: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.”—1 Korintianina 9:27; Filipianina 3:12-14.