Hijery ny anatiny

Inona Ilay Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka?

Inona Ilay Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka?

Valiny ara-baiboly

 Nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny olona iray raha sady nanota no manana toe-tsaina ratsy mahatonga azy tsy hahazo ny famelan’Andriamanitra mihitsy. Inona no mety hahatonga ny olona iray ho tonga amin’izany?

 Avelan’Andriamanitra ny heloky ny olona iray raha mibebaka izy, manaraka ny fitsipiny, ary maneho finoana an’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 3:19, 20) Mety ho efa tena zatra manota anefa ilay olona, ka tsy hanova ny zavatra ataony sy ny toe-tsainy intsony. Lazain’ny Baiboly hoe manana “fo ratsy” ny olona toy izany, ary lasa “mafy fo noho ny hery mamitaky ny ota.” (Hebreo 3:12, 13) Azo oharina amin’ny tanimanga efa nodorana ny fon’ilay olona. Tsy azo ovana intsony ny paozin’ny tanimanga efa nodorana. Toy izany koa fa lasa mafy fo ilay olona, ka tsy mety mankatò an’Andriamanitra intsony. (Isaia 45:9) Tsy misy antony ahafahana mamela ny helony àry ka tsy hahazo famelan-keloka izy.—Hebreo 10:26, 27.

 Nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ny mpitondra fivavahana jiosy sasany, tamin’ny andron’i Jesosy. Fantatr’izy ireo fa ny fanahy masin’Andriamanitra no nanome an’i Jesosy hery hanaovana fahagagana. Ratsy fanahy anefa izy ireo ka nolazainy fa avy amin’i Satana Devoly izany hery izany.—Marka 3:22, 28-30.

Ota sasany hahazoana famelan-keloka

  •  Manevateva an’Andriamanitra noho ny tsy fahalalana: Mpanevateva an’Andriamanitra ny apostoly Paoly taloha, nefa hoy izy tatỳ aoriana: “Nahazo famindram-po ... aho, satria noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.”—1 Timoty 1:13.

  •  Manitsakitsa-bady: Lazain’ny Baiboly fa nisy olona nanitsakitsa-bady nefa niova, ka navelan’Andriamanitra ny helony.—1 Korintianina 6:9-11.

“Nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ve aho?”

 Tsy nanao an’izany ianao raha tena mankahala an’ilay fahotana nataonao ary tena te hiova. Mety ho lavo imbetsaka ianao ka hamerimberina an’ilay fahotana. Afaka mamela ny helokao anefa Andriamanitra, raha mbola tsy lasa mafy fo ianao ka hoe tsy te hankatò azy intsony.—Isaia 1:18.

 Misy olona mihevitra fa nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka izy. Nisy fahotana nataony angamba, ka mahatsiaro ho meloka foana izy any am-pony any. Lazain’ny Baiboly anefa fa tsy azo atokisana ny fo indraindray. (Jeremia 17:9) Tsy nomen’Andriamanitra alalana hitsara na iza na iza isika, ary tsy nomeny alalana hitsara ny tenantsika koa. (Romanina 14:4, 12) Afaka mamela ny helotsika izy, na dia mbola manameloka antsika aza ny fontsika.—1 Jaona 3:19, 20.

Nanao fahotana tsy hahazoana famelan-keloka ve i Jodasy Iskariota?

 Eny. Tia vola izy ka nangalarany ny vola fanomezana natao hampiasaina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Mody niahy ny mahantra mihitsy aza izy, nefa ny hahazo vola betsaka kokoa mba hangalarina no tena tao an-tsainy. (Jaona 12:4-8) Lasa mafy fo i Jodasy tamin’ny farany ka lasa zatra nanao ratsy. Sahiny àry ny namadika an’i Jesosy tamin’ny sekely volafotsy 30. Fantatr’i Jesosy fa tsy tena hibebaka intsony i Jodasy. Nantsoiny hoe “zanaky ny fandringanana” àry izy. (Jaona 17:12) Midika izany fa ho ringana mandrakizay i Jodasy, ary tsy hitsangana amin’ny maty intsony.—Marka 14:21.

 Tsy nanaporofo i Jodasy hoe tena nibebaka. Tsy tany amin’Andriamanitra izy no nibaboka ny fahotany, fa tany amin’ireo mpitondra fivavahana niray tsikombakomba taminy.—Matio 27:3-5; 2 Korintianina 7:10.