Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba An’i Daniela?

Valiny ara-baiboly

 Mpaminany jiosy tena niavaka i Daniela ary niaina tamin’ny 630 T.K. ka hatramin’ny 530 T.K. tany ho any izy. Nataon’Andriamanitra nahay nanazava ny dikan’ny nofy izy, nomeny fahitana momba an’izay hitranga amin’ny hoavy ary nasain’Andriamanitra nanoratra an’ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany.​—Daniela 1:17; 2:19.

Iza i Daniela?

 Lehibe tao Joda i Daniela. Fanjakana iray nisy ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoly jiosy i Joda. Resin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona i Jerosalema tamin’ny 617 T.K. ary nentiny mba hatao sesitany tany Babylona “ny olona ambony teo amin’ilay tany.” (2 Mpanjaka 24:15; Daniela 1:1) Nentina niaraka tamin’ireo olona ireo koa i Daniela ary mbola ankizilahy angamba izy tamin’izany.

 Nentina tany amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Babylona i Daniela sy ny tovolahy hafa, anisan’izany i Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nomena fampiofanana manokana ry zareo mba hahafahany hiasa ho an’ny mpanjaka. Noterena hanao zavatra mifanohitra amin’ny finoany izy ireo. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny anefa i Daniela sy ny namany telo lahy. (Daniela 1:3-8) Rehefa tapitra ilay fiofanana nandritra ny telo taona dia nidera an-dry zareo i Nebokadnezara Mpanjaka. Hitany mantsy hoe nanana fahendrena sy fahaizana izy ireo, ary “avo folo heny [ny an-dry zareo], raha oharina amin’ny [an’ny] mpisorona rehetra mpanao sikidy sy ny mpila hevitra amin’ny maty, eran’ny fanjakany.” Notendren’ny mpanjaka hiasa tao an-dapa àry i Daniela sy ny namany.​—Daniela 1:18-20.

 Nampanantsoina tany an-dapa i Daniela taona maro tatỳ aoriana, angamba tamin’izy 90 taona mahery. I Belsazara indray no mpanjaka nitondra an’i Babylona tamin’izay. Nasainy nanazava ny dikan’ilay sora-tanana nipoitra ho azy teo amin’ny rindrina i Daniela. Nampian’i Jehovah i Daniela dia fantany ny dikan’ilay sora-tanana. Nolazainy hoe ho resin’ny Fanjakana Medianina-Persianina i Babylona ary tanteraka tamin’io alina io izany.​—Daniela 5:1, 13-31.

 Rehefa ny Medianina-Persianina indray no nifehy an’i Babylona dia voatendry ho manam-pahefana ambony i Daniela. Nieritreritra ny hanandratra azy kokoa aza i Dariosy Mpanjaka. (Daniela 6:1-3) Nisy manam-pahefana nialona an’i Daniela dia nanao tetika hamonoana azy. Nataon-dry zareo izay hahatonga an’i Daniela hatsipy ao an-davaky ny liona nefa namonjy azy i Jehovah. (Daniela 6:4-23) Tamin’ny fotoana faramparany niainan’i Daniela dia nisy anjely niseho taminy ary nanome toky azy indroa hoe “tena sarobidy” izy.​—Daniela 10:11, 19.

 Jereo ilay video misy fizarana roa hoe Daniela: Nanam-pinoana Mandra-pahafatiny. Ho hitanao ao ilay tantaran’i Daniela voaresaka tetsy aloha.