Hijery ny anatiny

Lalàna Momba ny Fitsaboana

Sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny aina, ka mitady fitsaboana mety tsara izy, na ho an’ny tenany na ho an’ny zanany. Eken’izy ireo ny ankamaroan’ny fomba fitsaboana, anisan’izany ny fampiasana fitaovana sy teknika isan-karazany rehefa didiana izy ireo na toranina. Ekeny koa ny fanafody samihafa, toy ny fanafody mampijanona ny fandehanan’ny ra. Tsy eken’izy ireo anefa ny fampidiran-dra (ra manontolo, liomena, liofotsy, plakety, ary plasma). Tsy ekeny koa ny hitehirizana ny rany mba hampidirina ao aminy ihany avy eo rehefa didiana izy (transfusion autologue différée, na TAD). Mino mantsy izy ireo fa misy andinin-teny maromaro ao amin’ny Baiboly mandrara an’izany.

Hita ato ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary ny fitsipika sy lalàna tokony hodinihina rehefa mitsabo azy ireo.